Bokin'i Esdrasa

Toko voalohany

1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Sirosa mpanjakan'i Persa, dia namporisihin'ny Tompo ny fanahin'i Sirosa mpanjakan'i Persa, mba hahatanteraka ny tenin'ny Tompo, nolazainy tamin'ny vavan'i Jeremia: ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra, hiely eran'ny fanjakany izao teny izao:

2 Izao no lazain'i Sirosa mpanjakan'i Persa: Efa nomen'ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany, ary efa nandidy ahy izy, hanao trano ho azy, any Jerosalema any Jodà. 3 Ka iza aminareo no vahoakany? Homba azy anie ny Andriamaniny, ary aoka hiakatra any Jerosalema any Jodà izy, ka hanao ny tranon'ny Tompo Andriamanitr'Israely, dia ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema. 4 Aoka ny olona rehetra sisan'i Jodà ao amin'ny fonenana itoerany, na iza na iza, dia ho ampian'ny olona ao amin'io fonenana io, amin'ny volafotsy, volamena, fanaka, biby fiompy, mbamin'ny fanomezana an-tsitra-po hanaovana ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema. 5 Dia nitsangana ny loham-pianakavian'i Jodà sy Benjamina, ny mpisorona sy ny levita, dia izay rehetra namporisihin'Andriamanitra ny fanahiny, ka lasa nandeha hanao ny tranon'ny Tompo any Jerosalema.

6 Samy nanampy azy ireo avokoa ny olona nifanakaiky taminy, tamin'ny fanaka volafotsy, volamena, fanaka hafa, biby fiompy ary zavatra sarobidy, mbamin'ny fanomezana an-tsitra-po rehetra. 7 Nalain'i Sirosa koa ny fanaky ny tranon'ny Tompo nesorin'i Nabokodonozora tao Jerosalema sy napetrany tao amin'ny tempolin'ny andriamaniny. 8 Napetrak'i Sirosa mpanjakan'i Persa tao am-pelatanan'i Mitridata mpitahiry vola izany, ary izy no nanolotra azy, rahefa nisainy, tamin'i Sasabasara, filohan'i Jodà.

9 Ka izao no isany: siny volamena telopolo, siny volafotsy arivo, antsy sivy amby roapolo, 10 kopy volamena telopolo, kopy volafotsy ambaratonga faharoa folo sy efa-jato, ary fanaka hafa koa arivo. 11 Efa-jato sy dimy arivo no tontalin'ny fanaka volamena sy volafotsy. Dia nentin'i Sasabasara avokoa ireo, nony niverina avy any Babilona ho any Jerosalema ireo voasesi-tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0861