Bokin'i Esdrasa

Toko faha-3

1 Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka amin'ny tanànany avy ny zanak'Israely, dia nivory tany Jerosalema, toy ny olona iray ihany, ny vahoaka.

2 Ary nitsangana Josoe, zanak'i Josedeka, mbamin'ny mpisorona rahalahiny sy Zorobabela, zanak'i Salatiela, mbamin'ny rahalahiny, ka nanorina ny otelin'Andriamanitr'Israely, hanaterana sorona, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Moizy, olon'Andriamanitra. 3 Naoriny teo amin'ilay niorenany taloha ihany ny otely fa raiki-tahotra mafy teo anatrehan'ny vahoakan'ny tany izy ireo, ka nanatitra sorona dorana ho an'ny Tompo teo, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva izany.

4 Nanao fetin'ny Tabernakla, araka ny voasoratra koa izy, ka nanatitra ny sorona dorana isan'andro isan'andro, araka ny isany voadidin'ny lalàna hatao isan'andro. 5 Manaraka izany, nateriny ny sorona dorana tsy tapaka, ny sorona dorana fanao amin'ny voalohan'ny volana sy amin'ny fety rehetra voatokana ho an'ny Tompo, ary ny avy amin'izay rehetra manatitra fanatitra an-tsitra-po ho an'ny Tompo. 6 Hatramin'ny andro voalohan'ny volana fahafito, dia efa nanomboka ny manatitra sorona dorana ho an'ny Tompo izy ireo; ny fototry ny tempolin'ny Tompo anefa dia mbola tsy nalatsaka. 7 Nomem-bola ny mpipai-bato amam-pandrafitra: nomen-kanina amam-pisotro sy diloilo koa ny Sidoniana sy ny Tiriana, mba hitondrany ny hazo sedera avy any Libàna amin'ny ranomasina, hatreo Jope, araka ny fanomezan-dàlana azo tamin'i Sirosa mpanjakan'i Persa. 8 Tamin'ny taona faharoa nahatongavany teo amin'ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema, tamin'ny volana faharoa, dia nanomboka ny asa Zorobabela zanak'i Salatiela, Josoe zanak'i Josedeka, mbamin'ireo rahalahiny sisa, ny mpisorona sy ny levita, ary izay rehetra tao Jerosalema, avy any amin'ny fahababoana, ka nanendry ny levita hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra izy, hitarika ny asa amin'ny tranon'ny Tompo.

9 Dia indray nivonona ny levita: Josoe mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny, Kedmiela, mbamin'ireo zanany, zanak'i Jodà, hitarika an'izay niasa nanao ny asa momba ny tranon'Andriamanitra; torak'izany koa ny taranak'i Henadada, mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny; samy levita avokoa izy. 10 Nony nandatsaka ny fototry ny tempolin'ny Tompo ny mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trompetra, mbamin'ny levita, taranak'i Asafa, nitondra kipantsona, hidera an'ny Tompo, araka ny voadidin'i Davida, mpanjakan'Israely. 11 Dia nanao hira fiderana an'ny Tompo ireo: Fa tsara fo izy, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony amin'Israely. Ny vahoaka rehetra koa, indray nihoby an-kafaliana ho fiderana an'ny Tompo, fa nandatsaka ny fototry ny tranon'ny Tompo izy ireo. 12 Tamin'ny nandatsahana ny fototr'izany trano izany teo imason'izy ireo anefa dia maro tamin'ny mpisorona sy ny levita mbamin'ny loham-pianakaviana efa antitra, izay nahita ilay trano taloha no nitomany nigogogogo. Betsaka koa no nanandra-peo nihoby sy nifaly, 13 hany ka tsy hain'ny vahoaka navahana izay hobin-kafaliana sy izay feo fitomanian'ny vahoaka, fa samy niantsoantso tamin'ny feo mafy dia mafy ny vahoaka, ka re lavitra ny horakoraka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1393