Bokin'i Esdrasa

Toko faha-5

1 Ary ireo mpaminany, Akzea mpaminany sy Zakaria zanak'i Adao dia naminany tamin'ireo Jody izay tany Jodà sy Jerosalema, amin'ny anaran'Andriamanitr'Israely izay nanindry azy.

2 Ka nitsangana nanomboka ny fanaovana ny tranon'Andriamanitra ao Jerosalema indray Zorobabela zanak'i Salatiela, sy Josoe zanak'i Josedeka, ary niaraka taminy koa ireo mpaminanin'Andriamanitra nanampy azy. 3 Tamin'io fotoana io ihany dia tonga teo amin'izy ireo Tatanaì, governoran'ny any an-dafin'ny ony, mbamin'i Starbozanaì sy ny namany, ka nanao tamin'izy ireo hoe: Iza no nanome lalana anareo hanao ity trano ity sy hanangana ireo manda ireo?

4 Dia niteny taminy izahay ka nilaza taminy ny anaran'ireo lehilahy manao ny trano. 5 Nitsinjo an'ireo loholon'ny Jody anefa ny mason'Andriamanitr'izy ireo, ka tsy nasainy hitsahatra amin'ny asa izy, mandra-pahatongan'ny filazana ny raharaha tany amin'i Dariosa sy niverenan'ny taratasy momba izany. 6 Izao no kopian'ny taratasy ho an'i Dariosa mpanjaka, nalefan'i Tatanaì, governoran'ny eny an-dafin'ny ony, sy Starbozanaì, mbamin'ireo namany any Arfasàka, monina any an-dafin'ny ony.

7 Nandefa filazana taminy izy ka izao no voasoratra ao aminy: Fiadanana tanteraka anie ho an'i Dariosa mpanjaka! 8 Aoka ho fantatry ny mpanjaka, fa teny amin'ny faritanin'i Jodà, amin'ny tranon'Andriamanitra lehibe, izahay. Vato makadiry no anaovany azy, ary ny hazo dia alatsaka amin'ny rindrina, atao amim-pahazotoana ny asa, ary mandroso tsara ao an-tànan'izy ireo.

9 Nanontanianay ireo loholona ireo, nataonay hoe: Iza no nanome làlana anareo hanao ity trano ity, sy hanangana ireo manda ireo? 10 Nanontanianay azy koa ny anaran'izy ireo, mba hahampahafantarinay anao, mba halatsaka an-tsoratra ny anaran'ireo lohany. 11 Ka izao no valy nomeny anay: Mpanompon'ny Andriamanitry ny lanitra sy ny tany izahay; ary ny trano efa vita ela be ihany no ataonay indray; dia ilay efa natao sy vitan'ny mpanjaka lehibe anankiray tamin'Israely. 12 Saingy nony efa nampahatezitra ny Andriamanitry ny lanitra ny razanay dia natolony ho eo an-tanan'i Nabokodonozora ilay Kaldeana, mpanjakan'i Babilona, dia noravan'izy io izany trano izany, ary nentiny ho babo tany Babilona ny vahoaka. 13 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Sirosa, mpanjakan'i Babilona kosa anefa, namoaka didy manome làlana ny hanaovana io tranon'Andriamanitra io indray Sirosa mpanjaka. 14 Ary ny fanaka volamena sy volafotsin'ny tranon'Andriamanitra izay nalain'i Nabokodonozora tany Jerosalema ka nentiny ho ao amin'ny tempolin'i Babilona, dia natolotra an'ilay atao hoe Sasabasara, notendreny ho governora, 15 sy nilazany hoe: Raiso ireto fanaka ireto, ka mandehana apetraho ao amin'ny tempoly any Jerosalema, ary aoka hatsangana eo amin'izay niorenany ny tranon'Andriamanitra. 16 Dia tonga io Sasabasara io, ka nandatsaka ny fototry ny tranon'Andriamanitra ao Jerosalema, ary hatramin'izay andro izay ka mandrak'ankehitriny dia natao ihany izy, saingy mbola tsy efa. 17 Koa ankehitriny, raha sitraky ny mpanjaka, aoka hokarohina ao an-trano firaketan'ny mpanjaka any Babilona raha misy didy navoakan'i Sirosa mpanjaka, momba ny fanaovana io tranon'Andriamanitra ao Jerosalema io. Ka rahefa izany, dia aoka hambaran'ny mpanjaka aminay, izay sitra-pony ny amin'izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0459