Bokin'i Esdrasa

Toko faha-9

1 Nony vita izany rehetra izany, nanatona ahy ny lehibe, ka nanao hoe: Tsy tafasaraka tamin'ny vahoakan'ireto tany ireto ny vahoaka Israely mbamin'ny mpisorona sy ny levita fa manaraka ny fahavetavetany, ny an'ny Kananeana, ny Heteana, ny Ferezeana, ny Jeboseana, ny Amonita, ny Moabita, ny Ejipsiana, ary ny Amoreana;

2 satria naka ny zanakavavin'ireo izy ho vadiny, sy ho an'ny zanany lahy, ka tafaharo amin'ny vahoakan'ireto tany ireto ny taranaka masina; sady ny lohany sy andriambaventy indrindra no loha làlana amin'izany ota izany. 3 Vao nandre izany aho dia norovitiko ny akanjoko sy ny kapaotiko, norombotako ny volondohako amam-tsomotro, dia tafatombina nivarahontsana teo aho.

4 Nivory teo amiko avokoa izay nangovitra noho ny tenin'Andriamanitr'Israely, noho ny otan'ny zanaky ny fahababoana; izaho izany mbola tafatombina nivarahontsana teo ihany mandra-pahatongan'ny fanatitra hariva. 5 Efa mby amin'ny fotoanan'ny fanatitra hariva aho, vao tafarina tamin'ity fahoriako, amin'ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra, dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako nankany amin'ny Tompo Andriamanitro, nanao hoe:

6 Andriamanitra ô, safo-kenatra sy mangaihay loatra aho, tsy sahy miandrandra mankany aminao Andriamanitro, fa nitombo nihoatra ny lohanay ny helokay, ary niakatra nanakatra ny lanitra ny fahotanay. 7 Hatramin'ny andron'ny razanay ka mandrak'androany, dia efa meloka loza ery izahay; ary noho ny helokay ihany no nanolorana anay mbamin'ny mpanjakanay sy ny mpisoronay, ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny tany hafa, ho matin-tsabatra, ho babo, horobaina, ary hangaihay tahaka ny amin'izao anio izao. 8 Nisy andro anefa nanehoan'ny Tompo Andriamanitray ny famindram-pony taminay, dia navelany hisy sisa afaka izahay, ka nomeny fialofana eo amin'ny fitoerany masina, mba hanazavan'Andriamanitray ny masonay, sy hamelombelomany kely ny ainay ao anatin'ny fahandevozanay. 9 Fa andevo izahay, nefa tsy nahafoy anay tao anatin'ny fahandevozanay ny Andriamanitray. Nitarika ireo mpanjakan'i Persa hanisy soa anay izy hamelombelona ny ainay, mba hanaovanay ny tranon'Andriamanitray sy hamboaranay ny rava eo, dia hanomezany anay fonenana voafefy amin'i Jodà sy Jerosalema. 10 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ahoana no holazainay manaraka izany: Fa efa nahafoy ny didinao izahay; 11 dia ilay efa nolazainao taminay, tamin'ny vavan'ireo mpaminany mpanomponao, hoe: Ny tany hidiranareo hangalanareo azy ho fanananareo dia tanim-pahalotoana efa voaloton'ny fahalotan'ny vahoakan'ireo tany ireo sy azon'ny fahavetavetana nasafony azy hatraiza hatraiza noho ny fahalotoan'izy ireo. 12 Koa ankehitriny aza manome ny zanakareo vavy ho an'ny zanany lahy, na maka ny zanany vavy ho an'ny zanakareo lahy, ary aza miahy ny fanambinany amam-piadanany na oviana na oviana, mba handroso ho mahery hianareo, ka hihinana ny voka-tsoan'ity tany ity, sy hamela azy ho lovan'ny taranakareo mandrakizay. 13 Aty aorian'izay rehetra nanjo anay, noho ny ratsy nataonay sy ny helokay - nefa mbola nitsitsianao anay, ry Andriamanitray ô, tsy namely anay araka ny helokay hianao, sy namela anay hisy afaka ihany toy izao - 14 moa dia mbola mety handika ny didinao indray izahay, ka hiharo amin'ireo vahoaka vetaveta loatra ireo? Moa tsy ho tezitra mafy aminay va hianao ka handringana anay sy tsy hamela anay hisy sisa na ho afaka akory? 15 Ry Iaveh Andriamanitr'Israely ô, marina hianao, izahay ankehitriny dia ireto sisan'izay afaka fotsiny ihany; indreto izahay mbamin'ny otanay eto anatrehanao fa tsy mety ho velona eo anoloan'ny tavanao izahay noho izany ota izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0565