Ny Bokin'i Estera

Toko faha-10

1 Ary Asoerosa mpanjaka nampandoa hetra ny tany be sy ny nosy eo amin'ny ranomasina.

2 Moa tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Media sy Persa avokoa va ny zavatra momba ny fahefany sy ny herim-po nataony, ary ny andinidininy momba ny fahalehibeazana nanandratan'izy mpanjaka an'i Mardokea. 3 Fa ny Jody Mardokea dia filohan'ny mpandraharahan'i Asoerosa mpanjaka, malaza teo amin'ny Jody, mamin'ny rahalahiny be dia be, nitady izay hahasoa ny fireneny, ary niteny ny amin'izay hahasambatra ny iray razana aminy rehetra. (Tapitra eo ny boky amin'ny teny hebrio. Tapatapany fanampy hita amin'ny dikan'ny Soratra Masina amin'ny teny Greka) 4 Dia hoy Mardokea: Andriamanitra no nanao izany zavatra rehetra izany!

5 Tsaroako tokoa ny nanofisako ny amin'izany ka tsy misy tsy tanteraka ny andinidininy, na dia iray aza: 6 Ny loharano kely nanjary ony, ny fahazavana niseho, ny masoandro, ary ny rano be: Ny ony, dia Estera, izay nalain'ny mpanjaka ho vady, sy nataony mpanjakavavy. 7 Ny dragona roa, dia izaho sy AmanĂ . 8 Ny firenena, dia ireo izay nivory hanafoana ny anaran'ny Jody: 9 ary ny fireneko dia Israely, izay nitaraina tamin'Andriamanitra ka voavonjy. Tamin'izany ny Tompo namonjy antsika, sy nanafaka antsika tamin'izany loza rehetra izany; nanao famantarana amam-pahagagana lehibe, tsy mba hita teo amin'ny firenena, Andriamanitra. 10 Hahatanterahan'izany no nandaharany anjara roa, ny iray ho an'ny vahoakan'Andriamanitra, ary ny iray ho an'ny firenena rehetra. 11 Izany anjara roa izany dia tonga tamin'ny ora sy fotoana ary andron'ny fitsarana, eo anatrehan'Andriamanitra, ho an'ny firenena rehetra. 12 Dia nahatsiaro ny vahoakany Andriamanitra sy nanao fitsarana ho an'ny lovany. 13 Ka ireo andron'ny volana Adara ireo, ny fahefatra ambin'ny folo sy fahadimy ambin'ny folon'izany volana izany, dia hankalazain'izy ireo am-pivoriana amin-kafaliana sy firavoravoana eo anatrehan'Andriamanitra, amin'ny taranaka hatrany hatrany, eo amin'Israely vahoakany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1143