Ny Bokin'i Estera

Toko faha-11

1 Tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Ptolemea sy Kleopatra, Dositea izay nilaza azy ho mpisorona, avy amin'ny taranak'i Levì, sy Ptolemea zanany, dia nitondra izany taratasy momba ny Frorai izany, izay lazain'izy ireo ho tena marina sy nadikan'i Lisimaka, zanak'i Ptolemea ao Jerosalema.

2 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Asoerosa mpanjaka lehibe, andro voalohan'ny volana Nisàna, dia nanonofy Mardokea, zanak'i Jaira, zanak'i Semeì, zanak'i Sisa, avy amin'ny firenen'i Benjamina.

3 Izy io dia Jody, nipetraka tao an-tanànan'i Sosa, lehilahy malaza anisan'izay ao an-dapan'ny mpanjaka. 4 Isan'ny babo nentin'i Nabokodonosora mpanjakan'i Babilona, avy any Jerosalema, niaraka tamin'i Jekoniasa, mpanjakan'i Jodà izy. 5 Izao no nofiny: Tampoka, injay nisy feo, tabataba be aman-kotrobaratra, ary nihorohoro sy nikorontana ny tany. 6 Tampoka indray, nisy dragona roa lehibe nandroso samy vonon-kiady. 7 Nandefa feo mafy izy ireo, ka tamin'ny feony, dia nivonon-kiady ny firenena rehetra, hamely ny vahoakan'ny olo-marina. 8 Tampoka indray, nisy andro maizina sy aizim-pito, nisy horohoro aman-tebiteby, sy fahoriana amam-pivadiham-po teto ambonin'ny tany. 9 Natahotra ny hozoin'ny loza mafy indrindra ny vahoakan'ny olo-marina manontolo ka velom-panahiana sy nioman-ko faty. 10 Nitaraina tamin'Andriamanitra izy ireo, ary tamin'ny fitarainany, dia nisy toa loharano kely, nivoahan'ony lehibe sy rano be. 11 Dia namirapiratra ny hazavana sy ny masoandro, ka tafasandratra ireo tanatin'ny fahasimbana, ka nandrapaka ireo tanatin'ny voninahitra. 12 Nony avy nahita izany nofy izany sy izay efa nokasain'Andriamanitra hatao Mardokea, dia nifoha sy nitana izany tao an-tsainy, ary nanao izay tratry ny ainy, mandra-pahalin'ny andro, hahalala izay hevitr'izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.052