Ny Bokin'i Estera
Estera toko 12
Mardokea manambara amin'i Asoerosa ny teti-dratsin'ny eonoka roa lahy hamono azy.
1 Rahefa izany, nitoetra teo an-dapa Mardokea, niaraka tamin'i Begatana sy Taresa; samy eonokan'ny mpanjaka sy mpiambina ny vavahadin-dapa izy roa lahy. 2 Nony hitan'i Mardokea ny hevitr'izy ireo sy takany ny fikasany, fantany fa nikasa hamono an'i Asoerosa mpanjaka izy ireo, ka nandefa filazana izany tamin'ny mpanjaka izy. 3 Dia nasainy nampijaliana izy roa lahy eonoka, hilazany ny marina, ary noho ny fieken'ireo dia nalefany hovonoina izy. 4 Nasain'ny mpanjaka nosoratana tao amin'ny boky Tantara izany zavatra izany, ary nalatsak'i Mardokea an-tsoratra koa ny fahatsiarovana azy. 5 Ny mpanjaka nanapaka fa hanao raharaha ao an-dapa izy sy nanolotra fanomezana ho azy noho ny fiampangany. 6 Fa Amanà kosa, ilay zanak'i Amadata, avy any Agaga, dia nahazo voninahitra lehibe ao amin'ny mpanjaka, ka nitady hamono an'i Mardokea mbamin'ny fireneny, noho ny amin'izy roa lahy eonokan'ny mpanjaka.