Ny Bokin'i Estera

Toko faha-14

1 Ny mpanjakavavy Estera koa, nahatsiaro tena ho efa eo am-bavalozan'ny fahafatesana, ka niantso vonjy tamin'ny Tompo.

3 Dia nanao izao vavaka izao tamin'ny Tompo Andriamanitr'Israely izy: Ry Tompo izay hany Mpanjakanay, vonjeo amin'izao fahaporitako izao aho, izay tsy manam-bonjy afa-tsy hianao, 4 fa ny loza manambana ahy ity, toa voatsapan'ny tanako sahady. 5 Efa reko fahazaza, tao amin'ny fokon'ikaky, fa hianao, ry Tompo, efa nifidy an'Israely tamin'ny firenena rehetra, sy nifidy ny razanay, tamin'ireo iray razana aminy rehetra, ho lovanao mandrakizay, ary efa notanterahinao hanasoavana azy avokoa ny fampanantenanao rehetra. 12 Tsarovinao izahay, ry Tompo, ataovy manehoneho laza hianao amin'izao andron'ny fahorianay izao, ary omeo hery aho, ry Mpanjakan'ny andriamanitra sy Mpanapaka ny fahefana rehetra! 13 Asio teny malina ao am-bavako, eo anatrehan'ilay liona, ary ovao ny fony hankahala ny fahavalonay, mba hahafaty azy, dia izy mbamin'izay rehetra miray hevitra aminy. 14 Fa izahay kosa dia aoka ny tànanao hanafaka anay, ary ampio aho, amin'izao izaho irery izao, tsy manana an'iza na iza, afa-tsy hianao, ry Tompo! Hianao mahalala ny zavatra rehetra,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1296