Ny Bokin'i Estera

Toko faha-2

1 Taorian'izany, nony nionona ny hatezeran'i Asoerosa mpanjaka, nahatsiaro an'i Vastì izy, dia ny nataony sy ny notapahina ny aminy.

2 Ary hoy ireo mpanompon'ny mpanjaka izay nanao raharaha teo aminy: Aoka hitadiavana zazavavy virjiny sy tsara tarehy ny mpanjaka; 3 ka isam-paritany rehetra eo amin'ny fanjakany dia hametrahan'ny mpanjaka manam-boninahitra hiadidy ny famoriana ny zazavavy virjiny sy tsara tarehy rehetra, ho eto Sosa, renivohitra, ao amin'ny tranom-behivavy, tandreman'i Egea, eonokan'ny mpanjaka, sy mpitandrina ny vehivavy, izay hamonona ny momba ny fiakanjoan'ireo; 4 dia izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no ho mpanjakavavy, hisolo an'i Vastì. Sitraky ny mpanjaka izany hevitra izany ka dia nataony izany. 5 Tao Sosa renivohitra nisy Jody anankiray atao hoe Mardokea, zanak'i Jaira, zanak'i Semei, zanak'i Sisa, taranak'i Benjamina;

6 nentina avy any Jerosalema, anisan'ireo babo nataon'i Nabokodonosora mpanjakan'i Babilona sesi-tany, niaraka tamin'i Jekoniasa mpanjakan'i Jodà. 7 Izy no nitaiza an'i Edisa izay hoe Estera, zana-drahalahin-drainy, fa tsy nanan-dray na reny intsony razazavavy. Sady bikana no tsara tarehy razazavavy; nony maty rainy aman-dreniny, dia natsangan'i Mardokea ho zanany izy. 8 Nony efa naely ny teny aman-didin'ny mpanjaka ka efa maro ny zazavavy tafangona tao Sosa, renivohitra, notandreman'i Egea, Estera koa nalaina ho ao an-tranon'ny mpanjaka, notandreman'i Egea, mpitandrina ny vehivavy.

9 Ary nahafaly azy sy nahita fitia teo imasony razazavavy, ka novononiny faingana ny zavatra ilainy momba ny fihaingoany aman'anjara haniny, ary zazavavy fito notsongainy tao an-tranon'ny mpanjaka, no nomeny azy, ary ny efi-trano tsara indrindra tao an-tranom-behivavy no nametrahany azy sy ireo zazavavy. 10 Tsy nilaza izay fireneny na firazanany Estera, fa noraran'i Mardokea tsy hilaza izany. 11 Nitsangantsangana isan'andro teo anoloan'ny kianjan'ny tranom-behivavy Mardokea, mba hahafantarany ny toe-pahasalaman'i Estera, sy izay fitondran'ny olona azy. 12 Nony avy ny anjara fotoana handehanan'ireo zazavavy ireo amin'i Asoerosa avy, rahefa tapiny ny roa ambin'ny folo volana fanatanterahana izay voadidy hataon'ny vehivavy, dia izao kosa no zavatra alahatra atao amin'ny fotoana idiovany; ny enim-bolana nidiovany amin'ny diloilo misy mira, ary ny enim-bolana kosa amin'ny zava-manitra sy ny zavatra tsara fofona fanaon'ny vehivavy.

13 Raha nandeha amin'ny mpanjaka ny zazavavy dia nahazo làlana hitondra izay tiany avy ao an-tranom-behivavy mba ho any an-tranon'ny mpanjaka. 14 Ny hariva izy no mankao; nony ampitso maraina izy, dia mifindra ao amin'ny trano faharoa fitoeram-behivavy, tandreman'i Sosagaza, eonokan'ny mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano. Tsy miverina ao amin'ny mpanjaka intsony izy, afa-tsy raha irin'ny mpanjaka izy, ka antsoina amin'ny anarany. 15 Nony tonga ny anjaran'i Estera zanak'i Abihaila, rahalahin-drain'i Mardokea, ilay nanangana azy ho zanaka, handehanany amin'ny mpanjaka, dia tsy mba nila na inona na inona izy, afa-tsy izay natoron'i Egea, eonokan'ny mpanjaka, sy mpitandrina ny vehivavy; nefa izay rehetra nahita an'i Estera nankasitraka azy avokoa.

16 Tamin'ny volana fahafolo, izay volana Tebeta, taona fahafito nanjakan'i Asoerosa mpanjaka, no nentina ho ao aminy ao an-tranom-panjaka Estera. 17 Ary Estera no tian'ny mpanjaka indrindra tamin'ny vehivavy rehetra, ka nahita fitia aman-tsitraka taminy mihoatra noho ny zazavavy hafa rehetra. Nosatrohany ny diademam-panjakana ny lohany, sady nataony mpanjakavavy hisolo an'i Vastì. 18 Nanao fanasana lehibe ny mpanjaka, ho an'ny andriandahiny rehetra sy ny mpanompony, dia ny fanasan'i Estera, nanomezany fitsaharana ny faritaniny, ary nanaovany fanomezana be, amin'ny fahazavam-po mendrika ny mpanjaka. 19 Tamin'ny famoriana zazavavy fanindroany, nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka Mardokea;

20 Estera izany mbola tsy nilaza ny firazanany na ny fireneny, araka ilay efa nandidian'i Mardokea Estera, toy ny fony mbola notezainy ihany. 21 Tamin'izany andro izany, raha ilay nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka iny Mardokea, nentin-katezerana Bagatana sy Taresa, izy roalahy samy eonokan'ny mpanjaka sy mpiambina ny lapa, ka nitady hamono an'i Asoerosa mpanjaka. 22 Fantatr'i Mardokea ny teti-dratsy, ka nambarany tamin'i Estera izay nilaza izany tamin'ny mpanjaka kosa, ho filazana avy amin'i Mardokea. 23 Nony nofotorana izany zavatra izany, ka hita fa marina, dia nahantona tamin'ny hazo izy roa lahy eonoka, ary nosoratana tamin'ny bokin'ny Tantarao teo anatrehan'ny mpanjaka izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1416