Ny Bokin'i Estera

Toko faha-3

1 Taty aorian'izany, nasandratr'i Asoerosa mpanjaka, laharam-boninahitra Amàna, zanak'i Amadata, avy amin'ny tanin'i Agaga, nasandrany sy napetrany amin'ny fitoerana ambony noho ny an'ny lehibe rehetra nanolotra azy izy.

2 Nandohalika sy niankohoka teo anatrehan'i Amanà avokoa ny mpanompon'ny mpanjaka izay teo am-bavahadiny, fa izany no didin'ny mpanjaka momba azy. Nefa Mardokea tsy mba nandohalika na niankohoka, 3 ka hoy ireo mpanompon'ny mpanjaka, izay teo am-bavahadiny, tamin'i Markodea: Nahoana hianao no mandika ny didin'ny mpanjaka? 4 Raha naverimberiny taminy isan'andro izany, nefa tsy nohenoiny izy ireo, dia nampandrenesiny an'i Amanà izany, hahitany raha hikiry amin'ny hevitra voakasany Mardokea, satria efa voalazany tamin' izy ireo fa hoe Jody izy. 5 Nony hitan'i Amanà fa tsy nandohalika na niankohoka teo anatrehany Mardokea, dia tezitra indrindra izy. 6 Nataony ho tsinontsinona aminy anefa ny maninji-tànana amin'i Mardokea irery, fa efa nilazana izay firenen'i Mardokea izy ka dia ny handringana ny firenen'i Mardokea dia ny Jody rehetra, teo amin'ny fanjakan'i Asoerosa manontolo, no notadiavin'i Amanà. 7 Tamin'ny volana voalohany izay volana Nisana, taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Asoerosa, dia nanaovana ny Pora izany hoe loka, teo anatrehan'i Amanà, ho an'ny isan'andro sy ho an'ny isam-bolana, hatramin'ny volana faharoa ambin'ny folo, izay volana Adara.

8 Tamin'izay, hoy Amanà tamin'i Asoerosa mpanjaka: Ao amin'ny faritanin'ny fanjakanao rehetra dia misy vahoaka eo afovoan'ny vahoaka hafa, nefa mitokana ihany, hafa lalàna noho ny vahoaka hafa rehetra, ary tsy mba mitandrina izay lalàn'ny mpanjaka. Tsy mba mahasoa ny mpanjaka ny mamela ireny amin'izao. 9 Fa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hanoratana didy handringanana ireny, dia handanja talenta volafotsy iray alina eo an-tanan'ny mpanao raharaha aho, halatsaka ao amin'ny rakitry ny mpanjaka. 10 Dia nesorin'ny mpanjaka ny peratra teny an-tànany, nomeny an'i Amanà zanak'i Amadata, avy amin'ny tanin'i Agaga, fahavalon'ny Jody, ka hoy izy taminy: 11 Afoy ho anao ny vola mbamin'izany vahoaka izany, ka ataovy amin'izay itiavanao azy. 12 Koa tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folon'ny volana voalohany, nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka, dia nanoratra araka izay rehetra nasain'i Amanà atao, ho an'ny solom-panjaka, ny governoran'ny isam-paritany, ny lehiben'ny isam-pirenena, natao araka ny soratry ny isam-paritany, araka ny fitenin'ny isam-pirenena, ary nosoratana tamin'ny anaran'i Asoerosa mpanjaka, sy notombohina tamin'ny peratry ny mpanjaka.

13 Nalefa nentin'ny tsimandoa ny taratasy any amin'ny faritanin'ny mpanjaka rehetra, mampandringana sy mampamono ary mampandripaka ny Jody rehetra, na antitra na tanora, na zaza na vehivavy, amin'ny indray andro monja, dia amin'ny andro fahatelo ambin'ny folon'ny volana faharoa ambin'ny folo, izay volana Adara, sady mampandroba ny fananany rehetra. (Jereo ny kopian'ny didy ao amin'ny toko XIII, 1-7) 14 Nisy kopian'ny teny izay tsy maintsy haely ho didy amin'ny isam-paritany, nalefa misokatra ho any amin'ny firenena rehetra, mba samy ho vonona ho amin'izany andro izany.

15 Nandeha faingana ny tsimandoa, araka ny tenin'ny mpanjaka. Ary navoaka tao Sosa, renivohitra, koa ny lalàna; ary raha nipetraka hisotro ny mpanjaka sy Amanà, ny tanàna Sosa kosa nikorontana be ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0375