Bokin'i Ezekiela

Toko voalohany

1 Ary tamin'ny taona fahatelopolo, volana fahefatra, andro fahadimin'ny volana, raha teo amin'ireo babo, teo amoron'ny ony Kobara aho, dia nisokatra ny lanitra, ka nahita fahitana avy amin'Andriamanitra aho.

2 Tamin'ny andro fahadimin'ny volana, taona fahadimy nahababo an'i Joasina, mpanjaka, tamin'izay, - 3 tonga tamin'i Ezekiela, zanak'i Bozi, mpisorona, ny tenin'ny Tompo, tany amin'ny tanin'ny Kaldeana, amoron'ny ony Kobara, ary mbý teo aminy teo ny tànan'ny Tompo. 4 Hitako, fa indro, avy any avaratra, nisy tafio-drivotra sy rahona lehibe, aman'afo mivongana, izay manjopiaka manodidina, ary ao afovoany dia toa zavatra mitarehy metaly voatsoboka anaty afo no niseho teo.

5 Ary hitako teo afovoany, ny endri-java-manan'aina efatra, ka toy izao no fijery azy: miendrik'olombelona izy. 6 Samy nanan-tarehy efatra ary samy nanana elatra efatra avy izy. 7 Mahitsy ny tongony, ary toy ny faladian'ny zanak'omby ny faladiany, sady nanjelanjelatra hoatra ny varahana vaodio ireo. 8 Nisy tànan'olona avy teo ambanin'ny elany, amin'ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tavany aman'elany avy, izy efatra. 9 Nifanendry ny elany; tsy nihodina izy raha mandeha, fa samy nizotra tamin'izay hitsiny avy. 10 Izao avy no notahafin'ny tarehany: ny anoloana, tarehan'olombelona, ny ankavanana, tarehan-diona, azy efatra; ny ankavia tarehan'ombalahy, azy efatra, ary tareham-boromahery azy efatra. 11 Toy izany ireo tarehany. Nivelatra teo amboniny, ny elatr'izy ireo; ka ny elany roa avy nifanendry tamin'ny an'ny namany; ary ny elany roa kosa, nanarona ny tenany. 12 Samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy; izay nasain'ny fanahy naleha no nalehany; tsy niodina izy raha mandeha. 13 Ny fijery an'ireo zava-manan'aina ireo, dia tahaka ny vainafo mivaivay; hoatra ny fanilo no fijery azy; mifanaretsaka eny anelanelany eny ny afo, mampajambena; sady misy tselatra mivoaka avy ao amin'ny afo. 14 Ary mivoivoy nankatsý nankarý ireo zava-manan'aina ireo, tahaka ny tselabaratra no fijery azy. 15 Dia nibanjina ireo zava-manan'aina ireo aho, ka indro nisy kodiarana anankiray teo amin'ny tany, teo anilany, anoloan'ny tavany efatra.

16 Ka ny fijery an'ireo kodiarana ireo, sy ny tarehany, dia tahaka ny an'ny vaton'i Tarsisa, ary sahala daholo izy efatra; ny fijery azy aman-tarehany dia hoatra ny kodiarana itsofohan-kodiarana hafa ao afovoany. 17 Raha mandeha izy, dia mizotra tandrifin'ny lafiny efatra, sady miherika eny am-pandehanany. 18 Avo mahatsiravina ny hazo faribolany, sady feno maso avokoa ny manodidina ny fari-bolan'ireo kodiarana efatra ireo. 19 Raha nandeha ireo zava-manan'aina, nandeha teo anilany koa ireto kodiarana; raha misondrotra avy amin'ny tany ireo zavatra ireo, misondrotra koa ny kodiarana. 20 Izay nasain'ny fanahy alehany, no nalehan'izy ireo; fa naingain'ny fanahy izy; ary niara-niainga taminy koa ireto kodiarana; satria tao amin'ny kodiarana ny fanahin'ny zava-manan'aina. 21 Ka raha mandeha ireo, mandeha ireto; raha mijanona ireo, mijanona ireto; ary raha misondrotra avy amin'ny tany ireo, misondrotra koa ireto kodiarana; satria tao amin'ny kodiarana ny fanahin'ny zava-manan'aina. 22 Teo ambonin'ny lohan'ireo zava-manan'aina ireo, nisy tahaka ny andohalambo miendri-kristaly mamirapiratra, mivelatra teo ambonin'ny lohany.

23 Ka teo ambanin'io andohalambo io ny elany no nivelatra nifanendry, sady nanana elatra roa avy koa nanarona ny tenany teo an-daniny avy. 24 Nony mandeha izy ireo, dia reko ny fikopakipaky ny elany, ka toy ny firohondrohon'ny rano be, tahaka ny feon'ny Tsitoha, fihahohahom-pitabatabana toy ny re avy amin'ny toby; nony mijanona izy, dia avelany milefitra ny elany. 25 Ary nisy naneno re avy ao amin'itsy andohalambo nivelatra teo ambonin'ny lohany; nony mijanona izy, dia navelany hilefitra ny elany. 26 Eo ambonin'ilay andohalambo nivelatra teo ambonin'ny lohany, nisy hoatra ny vato safira, mitarehin-tseza fiandrianana; ary toa nisy hoatra ny endrik'olona teo ambonin'io mitarehin-tseza fiandrianana io.

27 Tao anatiny sy tao amin'ny manodidina dia nisy hitako hoatra ny zavatra miendri-metaly, tahaka ny afo no fijery azy, hatramin'izay niseho ho tahaka ny valahany no ho miakatra; ary hatramin'izay niseho ho toa valahany no ho midina kosa dia nisy zavatra hitako, toy ny afo no fijery azy, ary nisy famirapiratana manodidina azy. 28 Hoatra ny fijery ny avana eny amin'ny rahona, amin'ny andro misy orana, no fijery ny famirapiratana nanodidina azy. Toy izany no fijery ny sarin'ny voninahitry ny Tompo. Nony nahita izany aho, dia lavo niankohoka tamin'ny tavako, nandre feon'olona niteny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1894