Bokin'i Ezekiela

Toko faha-11

1 Naingain'ny Fanahy aho dia nentiny nankeo ambavahady atsinanana, ilay mitodika miantsinana amin'ny tranon'ny Tompo; ka indro, teo anoloan'ny vavahady nisy olona dimy amby roapolo lahy; ary hitako teo amin'izy ireo, Jezoniasa, zanak'i Azora sy Feltiasa, zanak'i Banaiasa, lehiben'ny vahoaka.

2 Dia hoy Iaveh tamiko: Ry zanak'olona, ireo no olona mamoron-tsain-dratsy, sy manome hevi-dratsy, eto amin'ity tanàna ity, manao hoe: 3 Tsy antomotra loatra ny loza! Andeha isika hanao trano! Ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena. 4 Koa maminania hamely azy; maminania, ry zanak'olona. 5 Dia nilatsaka tato amiko ny Fanahin'ny Tompo; ka hoy izy tamiko: Mitenena hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Izany no teneninareo, ry taranak'Israely! Fantatro ny mby ao an-tsainareo.

6 Nohamaroinareo ny vonoan'olona tamin'ity tanàna ity, sy nofenoinareo faty ny làlambeny. 7 Koa izao no lazain'ny Tompo Tompo: Ireo maty natsingidinareo teto afovoan'ny tanàna no hena, ary ny tanàna no vilany; fa hianareo kosa havoaka hiala eto. 8 Mataho-tsabatra hianareo, ka hataoko tratry ny sabatra, - teny marin'ny Tompo Tompo. 9 Havoakako hiala eto an-tanàna hianareo, ka hatolotro eo an-tànan'ny hafa firenena; ary hampihatra aminareo ny fitsarako aho. 10 Ho lavon-tsabatra hianareo, ary hotsaraiko any amin'ny sisin-tanin'Israely; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho. 11 Ity tanàna ity, tsy ho vilany ho anareo; hianareo, tsy ho hena ao anatiny; fa any an-tsisin-tanin'Israely no hitsarako anareo. 12 Ka ho fantatrareo fa izaho no Iaveh izay tsy narahanareo fitsipika, na notandremanareo lalàna, fa nanaraka ny lalàm-pirenena manodidina anareo no nataonareo. 13 Mbola naminany teo aho, dia maty Feltiasa, zanak'i Banaiasa; ka niankohoka aho, nitaraina taminy feo avo nanao hoe: Indrisy, Iaveh Tompo ô! dia haringanao ve, ny sisa amin'Israely.

14 Dia tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

15 Ry zanak'olona, ireo rahalahinao, ireo rahalahinao, olona anisan'ny fianakavianao, sy ny taranak'Israely rehetra, dia izy rehetra no ilazan'ny mponina ao Jerosalema hoe: Mijanòna any lavitra an'ny Tompo hianareo; fa izahay no nomena ity tany ity ho fananana. 16 Koa lazao amin'ireto hoe: Izao no lazain'ny Tompo Tompo: Eny, nalefako lavitra any amin'ny firenena ireny; naeliko any amin'ny tany hafa izy; nefa izaho no ho fitoerana masina ho azy ireo, any amin'ny tany nalehany, mandritra ny fotoana vitsivitsy. 17 Noho izany, ilazao ireny ataovy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Tompo: Hangoniko avy any amin'ny firenena hianareo; hovoriko avy any amin'ny tany nampielezana anareo hianareo; ary homeko anareo ny tanin'Israely. 18 Dia hiditra ao izy ireo, ka hesoriny hiala ao avokoa ny zava-mahamenatra amam-pahavetavetana rehetra. 19 Ary izy rehetra homeko fo iray, hasiako fanahy vaovao ao anatiny, hesoriko amin'ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy; 20 mba hizorany amin'ny fitsipiko sy hitandremany ny didiko, ary hanarahany azy; ka izy dia ho oloko, ary izaho, ho Andriamaniny. 21 Fa ry zareo manana ny fon-tsampiny vetaveta kosa, dia hatsingeriko amin'ny lohany, izay nataony, - teny marin'ny Tompo Tompo. 22 Tamin'izay ny Kerobima nanainga ny elany; ny kodiarana koa niara-nihetsika taminy; ary ny voninahitry ny Andriamanitr'Israely dia teo ambonin'izy ireo.

23 Ary nisondrotra avy teo ambonin'ny afovoan-tanàna, ny voninahitry ny Tompo, ka nijanona teo an-tampon'ilay tendrombohitra eo atsinanan'ny tanàna. 24 Ary naingain'ny Fanahy aho, ka nentiny ho any amin'ireo babo any Kaldea, tamin'ny fahitana, tamin'ny fanahin'Andriamanitra. Dia lasa niala teo anatrehako ny fahitana efa hitako;

25 ary notantaraiko tamin'ireo babo avokoa ny zavatra nampahitan'ny Tompo ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0955