Bokin'i Ezekiela

Toko faha-12

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, manao hoe:

2 Ry zanak'olona, hianao monina eto amin'ny taranaka miodina, izay mana-maso hahitana, fa tsy mahita; manan-tsofina handrenesana, fa tsy mandre; satria taranaka miodina izy ireo. 3 Koa mifeheza entana hianao, ry zanak'olona, hoatra ny hifindra tany fonenana; dia miaingà hifindra antoandro eo imason'izy ireo; mifindrà eo imasony avy eo amin'izay itoeranao, ho any amin'ny fitoeran-kafa; angamba ho hitany amin'izany, fa taranaka miodina izy. 4 Avoahy antoandro eo imasony ny entanao, hoatra ny entan'ny mifindra tany honenana; ary miaingà hariva eo imasony, hianao, hoatra ny fiaingan'ny olona mifindra tany honenana. 5 Gorobahy eo imasony ny manda, dia avoahy eo ny entanao; 6 ataovy an-tsoroka eo imasony izany dia ento rahefa ilay maizimaizina iny; sarony ny tavanao, ataovy amin'izay tsy hahitanao ny tany; satria efa nataoko famantarana ho an'ny taranak'Israely hianao. 7 Dia nataoko izay, araka izay nandidiana ahy: navoakako antoandro ny entako, hoatra ny entan'ny mifindra tany honenana; nogorobahako tamin'ny tànako ny manda nony hariva; navoakako ny entana rahefa ilay maizimaizina iny dia nolanjaiko teo imason'izy ireo. 8 Nony maraina, tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

9 Ry zanak'olona, moa ny taranak'Israely, izay taranaka miodina, tsy nilaza taminao va, nanao hoe: Inona ity ataonao? Lazao aminy hoe: 10 Izao no lazain'ny Tompo Tompo: Ity teny faminaniana ity, dia ho an'ny andriana ao Jerosalema, mbamin'ny taranak'Israely rehetra, ao amin'izany tanàna izany.

11 Lazao hoe: Famantarana ho anareo, aho; tahaka izay nataoko, no hatao amin'izy ireo; hasesi-tany izy, ho any amin'ny fahababoana.

12 Ny andriana eo aminy, hanao an-tsoroka ny entany, rahefa ilay maizimaizina iny, dia hiainga; hogorobahan'ny olona ny manda, hamoahana azy; hosaronany ny tavany, ka tsy hahita maso ny tany izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1174