Bokin'i Ezekiela

Ezekiela toko 13
Mamely ny mpaminany sandoka.

       1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:
       2 Ry zanak'olona, maminania mamely an'ireo mpaminanin'Israely
izay maminany;
ka lazao amin'ireo izay maminany, avy amin'ny safidim-pony ihany hoe:
Mihainoa ny tenin'ny Tompo hianareo:
       3 Izao no tenin'ny Tompo Tompo:
Loza ho an'ny mpaminany adala,
izay manaraka ny sainy fotsiny,
fa tsy mahita na inona na inona!
       4 Toy ny fosa an-tanàna haolo
dia toy izany ny mpaminaninao, ry Israely ô !
       5 Tsy niakatra ho eo amin'ny banga hianareo,
na nanangana manda
manodidina ny taranak'Israely,
mba hifaharany amin'ny ady,
amin'ny andron'ny Tompo.
       6 Fahitana tsy misy fotony ny azy,
ary faminaniana mamitaka
no an'ireo manao hoe: Teny marin'ny Tompo;
nefa izy ireo tsy nirahin'ny Tompo,
ary tsy mahazo manantena ny hahatanteraka ny teniny.
       7 Tsy fahitana foana va no hitanareo,
tsy faminaniana lainga va no lazainareo,
raha hoy hianareo: Teny marin'ny Tompo!
nefa aho tsy nilaza tsinona!
       8 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh:
Noho hianareo milaza zava-poana,
sady fahitana lainga, ny anareo,
dia indro aho ho tonga aty aminareo
- Teny marin'ny Tompo.
       9 Ny tànako hamely an'ireo mpaminany
mahazo fahitana tsy misy fotony,
sy faminaniana lainga:
tsy ho eo amin'ny mpanolo-tsaina ny vahoakako izy;
na ho voasoratra amin'ny bokin'ny taranak'Israely;
ary tsy hiditra ao amin'ny tanin'Israely;
- dia ho fantatrareo fa Iaveh Tompo aho, -
       10 noho izy ireo nandrebireby ny vahoakako,
nanao hoe: Fiadanana! nefa tsy nisy fiadanana tsinona.
Manao manda ny vahoakako,
dia indreny izy mandalotra sokay an'izany!
       11 Dia lazao amin'izay mandalotra sokay fa hirodana ny manda.
Ho avy ny ora-mahery!
Milatsaha, ry havandra vato!
Mifofofofoa, ry tafio-drivotra!
       12 Indro, nirodana ny manda!
Tsy hilazan'ny olona va hianareo, hataony hoe:
Aiza ity sokay nandaloranareo azy?
       13 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh:
Izaho hampifofofofo tafio-drivotra noho ny fahavinirako;
hahatonga ora-mahery, noho ny hatezerako;
sy havandra vato handringana, noho ny fahavinirako.
       14 Harodako ny manda nolalorinareo sokay;
hazerako amin'ny tany izy;
ka hihanjahanja eo ny fanambaniny;
hirodana izy, ary hianareo ho faty eo amin'ny antontany;
dia ho fantatrareo fa Iaveh aho.
       15 Hanala fo ny hatezerako amin'ny manda aho,
sy amin'izay nandalotra sokay azy,
ary hilaza aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda!
Tsy misy intsony ireo olona nandalotra sokay azy,
       16 dia ireo mpaminanin'Israely, izay naminany ny amin'i Jerosalema,
sy nahita fahitana hoe ho fiadanana ho azy;
nefa tsy nisy fiadanana tsinona;
- Teny marin'ny Tompo Tompo.
       17 Ary hianao, ry zanak'olona, atodiho ny tavanao,
hanandrina ireo zanakavavin'ny firenenao,
izay maminany araka ny sitrapony;
ka maminania famelezana azy hoe:
       18 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh:
Loza ho an'ireo vehivavy manjaitra ondana,
ho an'ny famavanin-tànana rehetra;
sy manao ondana
ho an'ny loha samihafa habe rehetra;
mba hihaza fanahy amin'ny fandrika.
Ny fanahin'ny oloko ve,
hosamborinareo amin'ny fandrika,
ary ny fanahinareo kosa ho velona!
       19 Efa nanala voninahitra ahy teo amin'ny oloko hianareo,
hahazoanareo ny eran-tanan'ila, ary hahazoanareo sombi-mofo,
ka dia mamono ny fanahy tsy tokony ho faty;
sy mamelona ny fanahy tsy tokony ho velomina;
dia mamitaka amin'izany ny oloko izay mihaino ny lainga.
       20 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh:
Indro halako ny ondanareo,
izay nataonareo fandrika hihazana fanahy,
ka hataoko lasa manidina ireny;
hotriariko ireo ondana ireo,
hiala eo amin'ny sandrinareo,
ary hanafaka ny fanahy nohazainareo tamin'ny fandrika aho,
mba ho afa-manidina ireny.
       21 Hotriariko ny ondanareo;
ary hotsoahiko eo amin'ny tànanareo ny vahoakako;
ka tsy ho haza eny an-tànanareo intsony izy;
dia ho fantatrareo fa Iaveh aho.
       22 Noho hianareo mampahory ny fon'ny marina amin'ny lainga,
nefa izaho kosa tsy nampahory azy;
sy noho hianareo nankahery ny ratsy fanahy,
mba tsy hiverenany avy amin'ny lalan-dratsiny, hahavelona azy;
       23 noho izany, tsy hahazo fahitana foana intsony hianareo,
na hahazo hitsak'andro intsony;
hotsoahiko eo amin'ny tànanareo ny vahoakako,
dia ho fantatrareo fa Iaveh aho.