Bokin'i Ezekiela

Toko faha-13

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, maminania mamely an'ireo mpaminanin'Israely izay maminany; ka lazao amin'ireo izay maminany, avy amin'ny safidim-pony ihany hoe: Mihainoa ny tenin'ny Tompo hianareo:

3 Izao no tenin'ny Tompo Tompo: Loza ho an'ny mpaminany adala, izay manaraka ny sainy fotsiny, fa tsy mahita na inona na inona!

4 Toy ny fosa an-tanàna haolo dia toy izany ny mpaminaninao, ry Israely ô !

5 Tsy niakatra ho eo amin'ny banga hianareo, na nanangana manda manodidina ny taranak'Israely, mba hifaharany amin'ny ady, amin'ny andron'ny Tompo.

6 Fahitana tsy misy fotony ny azy, ary faminaniana mamitaka no an'ireo manao hoe: Teny marin'ny Tompo; nefa izy ireo tsy nirahin'ny Tompo, ary tsy mahazo manantena ny hahatanteraka ny teniny.

7 Tsy fahitana foana va no hitanareo, tsy faminaniana lainga va no lazainareo, raha hoy hianareo: Teny marin'ny Tompo! nefa aho tsy nilaza tsinona!

8 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Noho hianareo milaza zava-poana, sady fahitana lainga, ny anareo, dia indro aho ho tonga aty aminareo - Teny marin'ny Tompo.

9 Ny tànako hamely an'ireo mpaminany mahazo fahitana tsy misy fotony, sy faminaniana lainga: tsy ho eo amin'ny mpanolo-tsaina ny vahoakako izy; na ho voasoratra amin'ny bokin'ny taranak'Israely; ary tsy hiditra ao amin'ny tanin'Israely; - dia ho fantatrareo fa Iaveh Tompo aho, -

10 noho izy ireo nandrebireby ny vahoakako, nanao hoe: Fiadanana! nefa tsy nisy fiadanana tsinona. Manao manda ny vahoakako, dia indreny izy mandalotra sokay an'izany!

11 Dia lazao amin'izay mandalotra sokay fa hirodana ny manda. Ho avy ny ora-mahery! Milatsaha, ry havandra vato! Mifofofofoa, ry tafio-drivotra!

12 Indro, nirodana ny manda! Tsy hilazan'ny olona va hianareo, hataony hoe: Aiza ity sokay nandaloranareo azy?

13 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Izaho hampifofofofo tafio-drivotra noho ny fahavinirako; hahatonga ora-mahery, noho ny hatezerako; sy havandra vato handringana, noho ny fahavinirako.

14 Harodako ny manda nolalorinareo sokay; hazerako amin'ny tany izy; ka hihanjahanja eo ny fanambaniny; hirodana izy, ary hianareo ho faty eo amin'ny antontany; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho.

15 Hanala fo ny hatezerako amin'ny manda aho, sy amin'izay nandalotra sokay azy, ary hilaza aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda! Tsy misy intsony ireo olona nandalotra sokay azy,

16 dia ireo mpaminanin'Israely, izay naminany ny amin'i Jerosalema, sy nahita fahitana hoe ho fiadanana ho azy; nefa tsy nisy fiadanana tsinona; - Teny marin'ny Tompo Tompo.

17 Ary hianao, ry zanak'olona, atodiho ny tavanao, hanandrina ireo zanakavavin'ny firenenao, izay maminany araka ny sitrapony; ka maminania famelezana azy hoe:

18 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Loza ho an'ireo vehivavy manjaitra ondana, ho an'ny famavanin-tànana rehetra; sy manao ondana ho an'ny loha samihafa habe rehetra; mba hihaza fanahy amin'ny fandrika. Ny fanahin'ny oloko ve, hosamborinareo amin'ny fandrika, ary ny fanahinareo kosa ho velona!

19 Efa nanala voninahitra ahy teo amin'ny oloko hianareo, hahazoanareo ny eran-tanan'ila, ary hahazoanareo sombi-mofo, ka dia mamono ny fanahy tsy tokony ho faty; sy mamelona ny fanahy tsy tokony ho velomina; dia mamitaka amin'izany ny oloko izay mihaino ny lainga.

20 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro halako ny ondanareo, izay nataonareo fandrika hihazana fanahy, ka hataoko lasa manidina ireny; hotriariko ireo ondana ireo, hiala eo amin'ny sandrinareo, ary hanafaka ny fanahy nohazainareo tamin'ny fandrika aho, mba ho afa-manidina ireny.

21 Hotriariko ny ondanareo; ary hotsoahiko eo amin'ny tànanareo ny vahoakako; ka tsy ho haza eny an-tànanareo intsony izy; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho.

22 Noho hianareo mampahory ny fon'ny marina amin'ny lainga, nefa izaho kosa tsy nampahory azy; sy noho hianareo nankahery ny ratsy fanahy, mba tsy hiverenany avy amin'ny lalan-dratsiny, hahavelona azy;

23 noho izany, tsy hahazo fahitana foana intsony hianareo, na hahazo hitsak'andro intsony; hotsoahiko eo amin'ny tànanareo ny vahoakako, dia ho fantatrareo fa Iaveh aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0378