Bokin'i Ezekiela

Toko faha-14

1 Tonga tao amiko ny loholona sasany amin'Israely, ka nipetraka teo anoloako.

2 Dia tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe: 3 Ry zanak'olona, ireo olona ireo dia efa nanangana ny sampin-dozany, ao am-pony, ary ny fanafintohinana mampanota azy, ataony eo anoloan'ny tavany: ka hety hanontanian'ireo va aho?

4 Noho izany, mitenena aminy hianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Na zovy na zovy, amin'ny taranak'Israely manangana ny sampin-dozany ao am-pony, sy manao eo anoloan'ny tavany ny fanafintohinana mampanota azy, raha sendra manatona ny mpaminany izy io, dia tenako izaho Iaveh no hamaly azy, araka ny tandrifin'ny sampiny maro, 5 mba hahavoazako ny taranak'Israely amin'ny fony; satria efa nivily niala tamiko izy mbamin'ny sampin-dozany rehetra. 6 Ka lazao amin'ny taranak'Israely hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Miverena hianareo; mialà amin'ny sampin-dozanareo; ary mihambohoa tsy hanatri-tava ny fahavetavetanareo rehetra.

7 Fa na zovy na zovy amin'ny taranak'Israely, na amin'ny vahiny mitoetra eo amn'Israely misaraka amiko, manangana ny sampin-dozany ao am-pony, ary manao eo anatrehan'ny tavany ny fanafintohinana mampanota azy, raha tonga manatona ny mpaminany izy io mba hanontaniany amiko ho azy, dia ny tenako izaho Iaveh, no hamaly azy. 8 Ka ny tavako, hanandrina izany olona izany; izy holevoniko hataoko famantarana aman'ohabolana, hofongorako eo amin'ny vahoakako; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho. 9 Ary raha mety ho voasodoka ny mpaminany, ka manonona teny sasantsasany, dia izaho Iaveh no ho nanodoka an'izany mpaminany izany; ary haninjitra ny tànako aminy aho, ary hofongorako eo amin'ny vahoakako Israely izy.

10 Dia hitondra ny valin'ny haratsiany izy, - arakaraka ny haratsian'izay manontany no haratsian'ny mpaminany koa, -

11 mba tsy hivilian'ny taranak'Israely hanalavitra ahy intsony, sy tsy handotoany tena amin'ny fahadiasoany rehetra. Amin'izay, izy ireo dia ho vahoakako, ary izaho dia ho Andriamaniny, - teny marin'ny Tompo Iaveh. 12 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

13 Ry zanak'olona, Raha misy firenena manota miodina amiko ka ahinjitro aminy ny tànako, dia tapahako ny tehina mofo ho azy, sy alefako hamely azy ny mosary, dia haringako ny olona sy ny biby,

14 ary eo amin'izany tany izany dia misy ireto olona telo ireto: Noe, Daniely sy Joba... dia hahavonjy ny fanahiny, amin'ny fahamarinany izy ireo; - teny marin'ny Tompo Iaveh.

15 Raha manefa biby masiaka amin'ny tany aho, ka ilaozan'ny mponina sy zary efitra tsy halehan'ny olona na iza na iza azon'izany biby izany,

16 ary raha ao amin'izany tany izany izy telo lahy ireo, velona aho - teny marin'ny Tompo Iaveh, tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy; ny tenan'izy ireo ihany no ho voavonjy, fa ny tany ho lao.

17 Na raha mandefa sabatra hamely izany tany izany aho, ary manao hoe: Aoka hijinja ny tany ny sabatra... sady mandringana ny olona sy ny biby;

18 ka eo afovoan'io tany io koa izy telo lahy ireo; velona aho - teny marin'ny Tompo Iaveh: dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo; ny tenany ihany no ho voavonjy.

19 Na raha mandefa pesta ho amin'izany tany izany aho, ary manidina ny hatezerako aminy, amin'ny fandatsahan-dra, sady mandringana ny olona sy ny biby,

20 ka eo afovoan'io tany io koa Noe sy Daniely ary Joba, velona aho - teny marin'ny Tompo Iaveh: tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo, fa ny tenany ihany no hahavonjy ny fanahiny, noho ny fahamarinany.

21 Satria izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Na dia rahefa nalefako hamely an'i Jerosalema aza ny fikapohana efatra mandoza: ny sabatra, ny mosary, ny biby masiaka, ary ny pesta, ka nandringana ny olona sy ny biby,

22 dia hisy sisa ihany, ho afa-mandositra, ka hivoaka ny tanàna, dia zanakalahy, sy zanakavavy. Ho avy eo aminareo izy, dia hahita ny fitondran-tenany aman'asany hianareo, ka dia hionona hianareo ny amin'ny loza nalefako hamely an'i Jerosalema, dia ny amin'izay rehetra nataoko nihatra taminy.

23 Hampionona anareo izy ireo, rahefa mahita ny fitondran-tenany aman'asany hianareo, ka ho fantatrareo fa tsy hoe tsy misy antony ny nanaovako izay rehetra nataoko taminy, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0977