Bokin'i Ezekiela

Toko faha-16

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, ampahafantaro an'i Jerosalema ny fahavetavetany, ka ataovy hoe: 3 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh amin'i Jerosalema: Ny tanin'ny Kananeana no nihavianao sy nahaterahanao; Amoreana ny rainao, ary Heteana ny reninao. 4 Toy izao ny amin'ny nahaterahanao: Tamin'ny andro nahaterahanao hianao tsy voatapaka tadim-poitra, tsy voampandro tamin'ny rano hadio, tsy voahosotra sira, tsy voahodidina lamban-jaza. 5 Tsy nisy nijery maso antra anao, ka mba nanao iray akory tamin'ireo fikarakarana ireo, noho ny indra fo anao; fa tamin'ny andro nahaterahanao, dia nariana tany an-tsaha hianao, fa narikoriko anao ny olona. 6 Nandalo teo akaikinao aho, dia nahita anao nitsipatsipaka tamin'ny rànao, ka nanao taminao hoe: Miveloma amin'ny rànao.

7 Dia nampitomboiko, toy ny ahitra any an-tsaha hianao, ka nitombo, nihalehibe, tonga tsara tarehy tapitr'ohatra tokoa, naniry nono, ary tonga taona fanambadiana, nefa nihanjahanja hianao, niboridana mihitsy. 8 Nandalo teo akaikinao aho ka nahita anao; dia efa tonga ny fotoananao, dia ny fotoam-pitiavana; ka novelariko taminao ny ila lambako, nanaronako ny fitanjahanao ary nianiana taminao aho, ka nanao fihavanana taminao, - teny marin'ny Tompo Iaveh, - ka dia ahy hianao. 9 Nampandroiko tamin'ny rano hianao, dia nosasako ho afaka aminao ny ra-nao, nohosorako diloilo.

10 Notafiako amborodao hianao, nokiraroako hoditr'ombirano, nohodidiniko rongony fotsy madinika ny lohanao, ary notafiako amparasily. 11 Nohaingoiko tamin'ny firavaka hianao: nasiako haba ny tànanao, sy rado ny vozonao; 12 nasiako masombola ny oronao, ary kavina ny sofinao; ary diadema kanto ny lohanao. 13 Niravaka volamena amam-bolafotsy hianao; ary nitafy rongony fotsy madinika sy amparasily aman'amborodao. Vary tsara indrindra sy tantely aman-diloilo no fihinanao; ary tonga tsara tarehy indrindra hianao, sy nahazo ny fiamboniam-panjakana. 14 Nanehoeho laza hatrany amin'ny firenena ny anaranao noho ny hatsaran-tarehanao, fa lavorary loatra izy, noho ny famirapiratako nataratro taminao, - teny marin'ny Tompo Iaveh. 15 Kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao hianao, ka nitolo-tena ho an'ny olon-kafa noho ny lazanao, nanarana ny fitiavanao tamin'ny mpandalo rehetra, nanolo-tena taminy.

60 Izaho anefa mbola hahatsiaro ny fanekena nataoko taminao, tamin'ny andron'ny fahatanoranao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao. 63 mba hahatsiaro sy ho menatra ary tsy hiloa-bava intsony noho ny henatra hianao, rahefa avy izay hanaovako fanonerana ho anao, noho ny nataonao rehetra, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1746