Bokin'i Ezekiela

Toko faha-17

22 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Hangalako ny tendron'ny sedera avo, ka hamboleko; holaingosako ny sampany milenodenoka amin'ny loha rantsany, ka hamboleko eo an-tampon'ny tendrombohitra avo sy manerinerina.

23 Eo amin'ny tendrombohitra avon'Israely no hamboleko azy; handrantsana sy hamoa izy, ary ho tonga sedera mahatalanjona honenan'izao fody amam-boromadinika rehetra izao eo amboniny, honenan'ny vorona rehetra eo amin'ny alokaloky ny rantsany. 24 Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha, fa izaho Iaveh efa nanetry ny hazo avo, ary nanandratra ny hazo voaetry; nahamaina ny hazo maitso, ary nahamaitso ny hazo maina. Izaho Iaveh, no niteny, ary Izaho no hanatanteraka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.237