Bokin'i Ezekiela

Toko faha-18

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

2 Ahoana ange no anontononanareo ohabolana ity, ny amin'ny tanin'Israely ataonareo hoe: Ny ray no mihinam-boaloboka marikivy, ka ny zanany no madilo nify!

3 Velona aho, - teny marin'ny Tompo Iaveh, tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany intsony, eo amin'Israely. 4 Ahy ny fanahy rehetra, na ny fanahin'ny ray, na ny fanahin'ny zanaka, samy ahy avokoa, ka ny fanahy izay manota, dia izy no ho faty. 5 Raha misy olona marina, ka manaraka ny rariny sy ny hitsiny,

6 tsy mihinana eny an-tendrombohitra, tsy manandra-maso amin'izay sampin-dozan'ny taranak'Israely, tsy manala baraka ny vadin'ny namany, tsy mandeha amin'ny vehivavy izay mbola ao anatin'ny fahalotoany, 7 tsy mampahory olona, mamerina amin'ny mpitrosa ny nataony antoka, tsy manao halatra, manome hanina ny noana, manafy lamba ny mitanjaka, 8 tsy manao zana-bola be loatra, tsy maka zana-bola, mamily ny tànany tsy hanao ratsy, mitsara marina ny an-daniny avy, 9 ary manaraka ny didiko sy mitandrina ny lalako ka tsy mivadika amin'izany, dia olo-marina io ka ho velona izy, - teny marin'ny Tompo Iaveh. 10 Fa izany olona izany miteraka zaza masiaka, izay mandatsa-dra, ka manao amin'ny rahalahiny ny iray amin'ireo zavatra ireo,

11 - fa ny tenany kosa tsy nanao ireo zavatra ireo, - mihinana eny an-tendrombohitra, manala baraka ny vadin'ny namany, 12 mampahory ny mahantra sy ny malahelo, manao halatra, tsy mamerina ny natao antoka, manandra-maso amin'ny sampy, manao fahavetavetana, 13 manao zana-bola be loatra, maka zana-bola, ka dia ho velona va io?... Tsy ho velona izy; efa nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy, tsy maintsy ho faty tokoa, ary ny rany ho aminy ihany. 14 Fa indro kosa, misy lehilahy anankiray niteraka zazalahy anankiray, izay mahita ny fahotana rehetra nataon-drainy; nahita izany izy nefa tsy mba nanao zavatra toy izany akory.

15 Tsy nihinana teny an-tendrombohitra, tsy nanandra-maso tamin'ny sampin-dozan'ny taranak'Israely, tsy nanala baraka ny vadin'ny namany, 16 tsy nampahory olona, tsy naka antoka, tsy nanao halatra fa nanome hanina ho an'ny noana, nanafy lamba ny mitanjaka; 17 tsy nanao zanabola be loatra na naka zana-bola; nitandrina ny lalàko izy ary nanaraka ny didiko; tsy ho faty noh ny rainy izy fa ho velona tokoa. 18 Ny rainy izay nanao an-keriny matatika loatra, nandroba ny rahalahiny, sy nanao izay ratsy eo afovoan'ny fireneny, io izy io dia ho faty noho ny helony. 19 Ary hianareo kosa manao hoe: Nahoana ny zanaka no tsy mba mitondra ny heloky ny rainy? Nefa ny zanaka nanaraka ny hitsiny sy ny rariny, nitandrina ny didiko sy nanatanteraka azy, ka ho velona tokoa izy. 20 Ny fanahy izay manota dia io no ho faty; ny zanaka tsy hitondra ny heloky ny rainy; ary ny ray tsy hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan'ny marina ho aminy ihany; ary ny haratsian'ny ratsy dia ho aminy ihany. 21 Ny ratsy fanahy kosa raha miala amin'ny fahotana rehetra nataony ka mitandrina ny didiko rehetra sy manaraka ny hitsiny sy ny rariny, ho velona izy, fa tsy ho faty.

22 Tsy hotsarovana intsony ny fahadisoana rehetra nataony; ho velona izy noho ny fanarahany ny marina. 23 Moa ny hahafatesan'ny ratsy fanahy ve no sitrako, - teny marin'ny Tompo Iaveh, fa tsy ny hialany amin'ny helony rehetra ka ho velona izy? 24 Ary raha miala amin'ny fahamarinana kosa ny marina ka manao ny tsy marina, araka ny fahavetavetana rehetra ataon'ny ratsy fanahy, - moa hanao izany izy va ka ho velona? - Tsy ho tsarovana intsony ny asa fahamarinana rehetra narahany; noho ny fahadisoana nahameloka azy sy ny fahotana nataony, noho izany dia ho faty izy.

25 Hianareo manao hoe: Tsy marina ny làlan'ny Tompo! Mihainoa àry, ry taranak'Israely: Moa ny làlako va no tsy mahitsy? Moa tsy ny làlanareo va no tsy mahitsy?

26 Raha miala amin'ny fahamarinany ny marina ka manao ny tsy marina ary maty amin'izany, dia noho ny tsy marina nataony no ahafatesany. 27 Fa raha miala amin'ny haratsiana nataony kosa ny ratsy fanahy, ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny amin'ny ataony, dia hamelona ny fanahiny izy. 28 Raha sokafany ny masony, ka miala amin'ny fahadisoana rehetra nataony izy, dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty. 29 Lazain'ny taranak'Israely anefa fa tsy marina ny lalan'ny Tompo! Moa ny lalako va no tsy mahitsy, ry taranak'Israely? Moa tsy ny làlanareo no tsy mahitsy? 30 Koa hotsaraiko araky ny làlanareo avy hianareo, ry taranak'Israely, - teny marin'ny Tompo Iaveh. Miverena ka mibebaha amin'ny fahotanareo rehetra ka tsy handoza anareo ny tsy fahamarinana.

31 Ario lavitra anareo ny fahotana, sy ny fahadisoana rehetra nataonareo; manaova fo vaovao sy saina vaovao. Fa nahoana no dia ho faty hianareo, ry taranak'Israely. 32 Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, - teny marin'ny Tompo Iaveh; koa mibebaha hianareo ka aoka ho velona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0859