Bokin'i Ezekiela

Toko faha-18

21 Ny ratsy fanahy kosa raha miala amin'ny fahotana rehetra nataony ka mitandrina ny didiko rehetra sy manaraka ny hitsiny sy ny rariny, ho velona izy, fa tsy ho faty.

22 Tsy hotsarovana intsony ny fahadisoana rehetra nataony; ho velona izy noho ny fanarahany ny marina. 23 Moa ny hahafatesan'ny ratsy fanahy ve no sitrako, - teny marin'ny Tompo Iaveh, fa tsy ny hialany amin'ny helony rehetra ka ho velona izy? 24 Ary raha miala amin'ny fahamarinana kosa ny marina ka manao ny tsy marina, araka ny fahavetavetana rehetra ataon'ny ratsy fanahy, - moa hanao izany izy va ka ho velona? - Tsy ho tsarovana intsony ny asa fahamarinana rehetra narahany; noho ny fahadisoana nahameloka azy sy ny fahotana nataony, noho izany dia ho faty izy.

25 Hianareo manao hoe: Tsy marina ny làlan'ny Tompo! Mihainoa àry, ry taranak'Israely: Moa ny làlako va no tsy mahitsy? Moa tsy ny làlanareo va no tsy mahitsy?

26 Raha miala amin'ny fahamarinany ny marina ka manao ny tsy marina ary maty amin'izany, dia noho ny tsy marina nataony no ahafatesany. 27 Fa raha miala amin'ny haratsiana nataony kosa ny ratsy fanahy, ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny amin'ny ataony, dia hamelona ny fanahiny izy. 28 Raha sokafany ny masony, ka miala amin'ny fahadisoana rehetra nataony izy, dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1426