Bokin'i Ezekiela

Toko faha-2

3 Hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, indro hianao irahiko, ho any amin'ny zanak'Israely, ho any amin'ireo vahoaka mpiodina izay niodina tamiko; fa efa nanota tamiko, mandrak'androany aza, ireo sy ny razany. 8 Ary hianao, ry zanak'olona, henoy izao lazaiko aminao izao: Aza miodina tahaka izany taranaka miodina izany. Sokafy ny vavanao, ka hano izay omeko anao.

9 Dia nojereko, ka indro nisy tànana natsotra nankatý amiko, ary indro fa nitana horonan-taratasy.

10 Novelariny teo anoloako io, ka voasoratra ny tao anatiny sy ny teo ivelany; ary hira fisaonana amam-pitomaniana sy fitarainana no voasoratra teo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0452