Bokin'i Ezekiela
Ezekiela toko 2. 2-5
2 Ary raha niteny tamiko izy, dia niditra tato anatiko ny Fanahy, sady nampitsangana ahy, ka nandre an'Ilay niteny tamiko aho.
3 Hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, indro hianao irahiko, ho any amin'ny zanak'Israely, ho any amin'ireo vahoaka mpiodina izay niodina tamiko; fa efa nanota tamiko, mandrak'androany aza, ireo sy ny razany.
4 Ireo zanaka manao tarehy tsy mahalala menatra sy mafy fo ireo no anirahako anao. Izao no holazainao aminy: Izao no tenin'Iaveh, Tompo.
5 Ka na nihaino izy ireo, na tsy nihaino, - fa taranaka mpiodina izy - dia nahalala fa efa nisy mpaminany teo aminy.