Bokin'i Ezekiela

Toko faha-23

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, nisy vehivavy anankiroa, zanaky ny reny anankiray.

3 Izy ireo dia nijangajanga tany Ejipta, nijangajanga tamin'ny andro fahatanorany; tany no namihinana ny nonony, tany no nanindriana ny tratran'ny fahavirijiniany.

4 Izao no anaran'izy ireo: Oollà, ny zokiny, ary Oolibà, ny rahavaviny. Ahy izy ireo teo aloha, ary niteraka zazalahy aman-jazavavy. Ny amin'ny anarany dia izao: Samaria, no Oollà; Jerosalema, no Oolibà.

5 Nivadika tamiko, Oollà; fatra-pitia an'ireo lehilahiny izy, dia ny Asiriana izay nifanila aminy.

6 Mitafy jaky ireo, governora amam-pifehy, tovolahy soa avokoa; mpitaingin-tsoavaly, mitaingin-tsoavaly,

7 ka izay nokendreny hijangajangany dia izay voafantina rehetra amin'ny zanakalahin'i Asiria; ary teo anilan'ireo rehetra ireo, izay nahamatim-pitia azy, dia nandoto tena tamin'ny sampin-dozan'ireo.

8 Tsy nahafoy ny fijangajangany tany Ejipta izy; fa efa nanalabaraka azy tamin'ny andro fahatanorany izy ireo; nanindry ny tratran'ny fahavirijiniany, ary nandefa taminy ny fahalotoany;

9 noho izany natolotro eo an-tànan'ireo lehilahy izy; dia eo an-tànan'ny zanakalahin'i Asiria, izay nirehetany fitiavana.

10 Nampitanjaka azy izy ireo, nahalasa ny zanany lahy aman-janany vavy; namono azy io tamin'ny sabatra, ka tonga nalaza ratsy tamin'ny vehivavy izy fa niharan'ny fitsarana.

11 Hitan'i Oolibà rahavaviny izany, ary nataony mitombo haratsiana mihoatra noho ny azy ny fitiavany; ary ny fijangajangany nanoatra noho ny an'ny rahavaviny.

12 Matim-pitia an'ireo zanakalahin'i Asiria izy, governora amam-pifehy mifanila tany aminy, mitafy lamba sarobidy, mpitaingin-tsoavaly mitaingin-tsoavaly, samy tovolahy soa avokoa.

13 Hitako fa nandoto tena koa izy; làlana iray no nomban'izy roa vavy.

14 Ny azy aza mbola nampiany ny fijangajangany; fa nahita sariolona voahoso-doko eo amin'ny rindrina izy, dia sarin'ny Kaldeana voahoso-doko mena.

15 Nisy fehinkibo ny valahany, sy hamama malalaka teo an-dohany, samy andrian-dehibe avokoa no fijery azy; izany dia sarin'ny zanakalahin'i Babilona, ary Kaldea no tany fihaviany.

16 Vao nahita azy ireo ny masony, dia nirehi-pitiavana azy izy, dia nandefa iraka ho any aminy, any Kaldea.

17 Ary tonga tao aminy, tao amin'ny fandriam-pitiavany ireo zanakalahin'i Babilona, ka nandoto azy tamin'ny fijangajangany, ary izy nandoto tena tamin'izy ireo: dia nadikidiky amin'ireny indray ny fanahiny.

18 Nasehony miharihary ny fijangajangany, nasehony ny fitanjahany; ka nadikidiky taminy ny fanahiko, toy ny efa nahadikidiky ny fanahiko tamin'ny rahavaviny.

19 Nampitomboiny ny fijangajangany; nahatsiahy ny andron'ny fahatanorany, fony izy nijangajanga tany amin'ny tany Ejipta izy.

20 Maimay tamin'ireo mpijangajanga izy, dia tamin'ireo izay rantsam-batam-boriky ny ratsam-batany, ary toy ny an'ny soavaly lahy, ny firehetam-pahalotoany.

21 Niverina tamin'ny heloky ny fahatanoranao hianao; dia ny fony nanindrian'ny Ejipsiana ny nononao, noho ny tratran'ny fahavirijinianao.

22 Noho izany, ry Oolibà, izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro aho hamporisika hamely anao, ireo lehilahinao, izay efa naharikoriko ny fanahinao; ka hoentiko avy any rehetra any, hamely anao,

23 dia ny zanakalahin'i Babilona, mbamin'ny Kaldeana rehetra, ny mpanapaka, ny lehibe, ny andriandahy, mbamin'ny zanakalahin'i Asiria rehetra koa miaraka aminy, tovolahy soa, samy governora amam-pifehy avokoa, samy manam-pahefana sy olo-malaza, samy mitaingi-tsoavaly avokoa.

24 Ho avy hamely anao ny fiadiana, ny kalesa aman-kodiarana, mbamin'ny firenena maro. Ny ampinga, ny ampinga kely, ny fiarovan-doha, halahany hamely anao; hapetrako amin'ireo ny fitsarana, ka hotsarainy araka ny lalàny hianao.

25 Hoentiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hasian'izy ireny amim-pisafoahana hianao; harasany ny oronao amam-tsofinao; ho lavon-tsabatra ny sisa aminao; hofaohiny ny zanakao lahy aman-janakao vavy; ho levon'ny afo ny sisa aminao.

26 Hendahany ny fitafianao; halainy ny firavakao sarobidy.

27 Hatsahatro hatreo ny helokao amam-pijangajanganao any amin'ny tany Ejipta; tsy hanopy maso any aminy intsony hianao, na hahatsiaro an'i Ejipta intsony.

28 Fa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro hatolotro eo an-tànan'ireo halanao hianao, dia eo an-tànan'ireo maharikoriko ny fanahinao.

29 Izy ireo hitondra anao amim-pankahalana, hamabo izay rehetra azonao, hamela anao mitanjaka, dia mitanjaka mihitsy; ary ny fitanjahanao vetaveta, ny fahalotoana amam-pijangajanganao hihanjahanja.

30 Hatao aminao izany, satria nitolo-tena hiraikitra amin'ny firenena hianao, satria nandoto tena tamin'ny sampiny vetaveta.

31 Nizotra ny làlan'ny rahavavinao hianao, ka dia hataoko eo an-tànanao ny kapoakany.

32 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Hosotroinao ny kapoaky ny rahavavinao, kapoaka lalin'aty sady be vava; ho fihomehezana sy fandatsana anao izany, fa tsy anerany ny habeny.

33 Ho safotry ny hamamoana amam-pijaliana hianao; fa kapoakan-doza amam-pandringanana, ny kapoakan'i Samaria rahavavinao.

34 Hosotroinao sy hotaperinao izy, ary hokakerinao aza ny vakivakiny sy handriatanao ny tratranao; fa izaho no niteny, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

35 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Noho hianao nanadino ahy, sy nanifika ahy ho any ivohonao: dia aoka hianao koa mba hizaka ny sazin'ny fahalotoanao, amam-pijangajanganao!

36 Ary hoy Iaveh tamiko: Ry zanak'olona, hotsarainao va Oollà sy Oolibà? Asehoy azy ny fahavetavetany.

37 Satria naka vadin'olona izy ary misy ra ny tanany; fa nitolo-tena hiraikitra amin'ny sampin-dozan'ireny; ny zanany aza izay naterany tamiko, nampamakiny ny afo, mba ho hanin'ireny.

38 Izao koa no nataony: Ny fitoerako masina, nolotoiny, tamin'izany andro izany, ny sabatako notevatevainy.

39 Nony namono ny zanany ho an'ny sampin-dozany indray izy, dia niditra ao amin'ny fitoerako masina, androtr'izay ihany, mba hanevateva azy! Izany no nataony tao anatin'ny tranoko.

40 Naniraka aza izy haka lehilahy avy lavitra, ary izay nandefasana iraka dia indreo izy tonga, ... dia ho an'ireo no nandroanao, nanentenanao ny masonao, nihaingoanao tamin'ny firavakao!

41 Nipetraka teo ambony farafara be renty hianao, ary teo anoloany dia nanamboarana latabatra, ka nametrahana ny emboka manitra aman-diloiloko.

42 Re ao ny fihahohahom-bahoaka be miadana: ny olona avy any amin'ny fitambaram-bahoaka be, dia mbola nikambanan'ireo mpiboboka avy any an'efitra, izay nanisy haba ny tànan'izy mirahavavy sy satro-boninahitra kanto, teo an-dohany.

43 Dia izao no lazaiko amin'ilay vehivavy efa reraka azon'ny fijangajangana: Mbola hanohy ny fijangajangany ihany va re izy, izao?

44 Mandeha aminy ny olona toy ny handehanany amin'ny vehivavy janga. Toy izany no nandehanany tamin'i Ollà sy Oolibà, ireo vehivavy meloka ireo.

45 Hisy olo-marina anefa hanameloka azy ireo, hiharan'ny sazin'ny vehivavy mpijangajanga, sy ny sazin'ny mandatsa-dra; satria mpijangajanga izy, ary misy ra amin'ny tànany.

46 Fa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Mampiakara vahoaka be hamely azy; ka aoka hatolotra ho amin'ny tahotra amam-pandrobana izy.

47 Ka aoka ny vahoaka be hanototra vato azy sy hitetitetika azy amin'ny sabany; aoka hovonoina ny zanany lahy aman-janany vavy; ary hodorana amin'ny afo ny tranony;

48 hampitsahatra ny fahavetavetana amin'ny tany aho, ka hahazo anatra amin'izany ny vehivavy rehetra, dia tsy hanao fahavetavetana tahaka ny nataonareo izy.

49 Hatsingerina aminareo ny fahavetavetanareo, ary holonjoinareo ny sazin'ny nanompoanareo sampy: dia ho fantatrareo fa izaho no Tompo Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0557