Bokin'i Ezekiela

Toko faha-24

15 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

16 Ry zanak'olona, indro hesoriko tampoka aminao, amin'ny indray mitselaka monja, ilay fifalian'ny masonao; nefa aza midradradradra na mitomany, na mandatsa-dranomaso akory. 17 Misentoa mangingina, fa aza misaona ny maty. Ataovy amin'ny lohanao ny hamamanao, asio kiraro ny tongotrao, aza saronana ny volombavanao, ary aza mihinana ny mofom-piononana. 18 Nony maraina dia niteny tamin'ny olona aho, ka ny harivan'izany ihany dia maty ny vadiko; ary ny ampitso maraina indray dia notanterahako izay nandidiana ahy.

19 Ka hoy ny olona tamiko: Tsy hovoasanao aminay va izay hevitra mahazo anay amin'izao ataonao izao? 20 Dia izao no nolazaiko tamin'ireo: Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe: 21 Lazao amin'ny taranak'Israely hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina, ilay reharehan'ny herinareo, fifalian'ny masonareo, fitiavan'ny fanahinareo; ary ho lavon-tsabatra ny zanakalahinareo aman-janakavavinareo, izay nilaozanareo. 22 Amin'izany hianareo, hanao toy izao nataoko izao: tsy hanarona ny volombavanareo; tsy hihinana ny mofom-piononana. 23 Ho eo an-dohanareo ihany ny hamamanareo, ary ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo, tsy hidradradradra na hitomany, fa hihalevona ao anatin'ny helokareo hianareo, ka hitoloko eo am-pifanilanareo. 24 Ezekiela no famantarana ho anareo; izay rehetra nataony no hataonareo, rahefa tonga izany; dia ho fantatrareo fa izaho no Tompo Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1134