Bokin'i Ezekiela

Toko faha-26

1 Tamin'ny taona faharaika ambin'ny folo, andro voalohan'ny volana, tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, noho ny nitenenan'i Tira momba an'i Jerosalema nataony hoe: Hià! Hià! vaky ilay vavahadin'ny firenena! aty amiko indray no todihin'ny olona; ka izaho ho feno; izy kosa efa zary efitra! -

3 noho izany, dia izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro, hihaviako hianao, ry Tira! Hampiakatra firenena maro hamely anao aho, toy ny fampisondrotry ny ranomasina ny hady izy;

4 Horavan'ireo ny mandan'i Tira, sady harodany ny tilikambony; hailiko lavitra azy ny vovo-taniny; ary hataoko toy ny vatolampy mangadihady izy;

5 dia ho fitoerana fanahazana harato, ao afovoan'ny ranomasina izy, fa efa niteny aho - teny marin'ny Tompo Iaveh; ka ho babon'ny firenena izy.

6 Ny zanany vavy eny an-tanety hovonoina amin'ny sabatra, ka ho fantatra fa Iaveh aho.

7 Fa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro, hoentiko avy any avaratra hamely an'i Tira, Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona, mpanjakan'ny mpanjaka, mitondra soavaly aman-kalesa, mpitaingin-tsoavaly, omba-miaramila betsaka sy vahoaka maro.

8 Hovonoiny amin'ny sabatra ny zanakao vavy eny an-tanety, hanorina manda hamelezana anao izy, hanandratra tovon-tany hamelezana anao, handahatra ny sokatra ampinga hanoherany anao.

9 Hanitsy ny fikapoky ny lohondry vy ho ao amin'ny mandanao, ary handrava ny tilikambonao amin'ny farangony.

10 Tsy erany ny habetsahan'ny soavaliny, ka ho tototry ny vovo-taniny hianao; ary azon'ny firodorodon'ny mpitaingin-tsoavaly, sy ny kodiarana aman-kalesa, dia hihozongozona ny mandanao, rahefa miditra amin'ny vavahadinao izy, toy ny fiditry ny olona amin'ny tanàna voabanga.

11 Ny lalam-benao rehetra, hohitsakitsahan'ny kitron-tsoavaliny; ny olonao, hovonoiny amin'ny sabatra, ary ny andrinao mafy, hazerany amin'ny tany.

12 Ny harenanao, halainy, ny entam-barotrao, hobaboiny, ny mandanao, harodany; ny lapa soanao, hazerany, ary hariany eny amin'ny rano ny vato aman-kazonao mbamin'ny vovokao.

13 Hataoko mitsahatra ny feon-kiranao, ary tsy ho re intsony ny feon-dokanganao.

14 Hataoko vatolampy mangadihady hianao; dia ho fitoerana fanahazana harato; tsy haorina intsony hianao; fa izaho Iaveh, efa niteny, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

15 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh amin'i Tira: Ny fikotrokotroky ny fianjeranao, rahefa hidridridridry ny maratra eo aminao, rahefa handripaka ny vonoana eo afovoanao, moa va tsy hihorohoroan'ny nosy izany?

16 Hidina hiala amin'ny seza fiandrianany ireo andrian'ny ranomasina rehetra; hanesotra ny lambany, hanala ny fitafiany misy amboradara; hitafy fangorohoroana, hitombina amin'ny tany, hangovitra isan-tapak'andro, ary ho talanjona noho ny aminao.

17 Hanao hira falahelovana anao izy, ka hanao aminao hoe: Endrey izao faharavanao izao, hianao ilay nitsangana avy amin'ny ranomasina, tanàna malaza, nahery teo amin'ny ranomasina, hianao mbamin'ny mponina teo aminao, nefa izy ireo izay nampahatahotra mafy teo iny ny mponina rehetra ao amin'ny ranomasina.

18 Kanjo, ankehitriny, hangovitra ny nosy, amin'ny andro hianjeranao, ary ny nosy eo amin'ny ranomasina, dia ho raiki-tahotra amin'ny iafaranao.

19 Fa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Raha avy izay hanaovako anao ho tanàna haolo, toy ireo tanàna tsy misy mponina; rahefa hampiakariko ho eo amboninao ny rano lalina, ka hanaforan'ny ranobe anao,

20 dia hampidiniko hiaraka amin'ireo nivarina any an-davaka hianao, ho any amin'ireo vahoaka fahagola; ka hamponeniko any ambanin'ny tany, any amin'ny fanginginana mandrakizay, miaraka amin'ireo nivarina any an-davaka, mba tsy honenana intsony hianao; ary hanisy ravaka amin'ny tanin'ny velona aho.

21 Hataoko zavatra mahatsiravina hianao; ary tsy hisy intsony hianao; hotadiavin'ny olona hianao, nefa tsy ho hitany intsony; - teny marin'ny Tompo Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.039