Bokin'i Ezekiela
Ezekiela toko 27
Fitomaniana noho ny faharavan'i Tira - Ny voninahitr'i Tira oharina amin'ny sambo tsara tarehy sady mafy - Ny fivarotan'i Tira amin'izao tontolo izao - Fahasimban'ilay sambo mafy.
1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe: 2 Manaova hira fitomaniana an'i Tira hianao, ry zanak'olona, 3 ka lazao amin'i Tira hoe:
Hianao ry ilay mitoetra eo amin'ny vava-ranomasina,
izay nifankahazo varotra amin'ny firenena,
any amin'ny nosy maro,
izao no lazain'ny Tompo Iaveh:
Tira ô, hianao nanao hoe: Baondy tsy resy aho amin'ny hatsaran-tarehy;
4 ny fanjakanao eo amin'ny ranomasina;
izay nandrafitra anao, nanao anao ho tsara tarehy mahagaga.
5 Hazo sipresa avy any Sanira no nandrafetany
ny hazo fisaka rehetra aminao;
sedera nalaina tany Libàna,
no nataony salazana ho anao.
6 Oaka avy any Basana
no nanaovany fivoy ho anao;
ny bànao nataony tamin'ny ivoara voapetaka amin'ny boisy,
avy amin'ny nosy Sitima.
7 Rongony fotsy madinika avy any Ejipta, mbamin'ny amborodaony
no natao lain-tsambo ho anao,
sady natao faneva ho anao;
ny hiasinta sy ny lamba mena mangatrakatraka avy any amin'ny nosy Elisa
no lamba temitra ho anao.
8 Ny mponina ao Sidona sy Arvada
no mpivoy ho anao,
ary ny olon-kendry izay eo aminao, ry Tira,
no mpanamory ho anao.
9 Ny tranainy avy any Giblioma sy ny olon-kendriny dia teo aminao,
mpamboatra ny vakivaky aminao.
Tao aminao avokoa ny sambo aman-tantsambo eny amin'ny ranomasina,
hanakalo ny entam-barotrao.
10 Na Persa, na Lidiana, na Libiana, dia samy isan'ny miaramilanao.
Ireny no lehilahy mpiadinao,
nahantony teo aminao ny satroka fiarovana aman'ampinga,
mampanetriketrika ny voninahitrao izy,
mahamendrimendrika anao ery.
11 Ny terak'i Arvada sy ny miaramilanao dia teo ambonin'ny mandanao manodidina,
ary lehilahy mahery no teo amin'ny tilikambonao;
nahantony teo amin'ny mandanao manodidina ny ampingany,
ka nahalavorary ny hatsaran-tarehinao.
12 Tarsisa nifampivarotra taminao, tamin'ny hareny isan-karazany:
volafotsy, vy, fira-potsy amam-pira-mainty, izay nataony vidin'ny entanao.
13 Javana, Tobala, Mosòka, nifampivarotra taminao,
ain'olona sy fanaka varahana,
no nanefany ny volanao aminy.
14 Ry zareo taranak'i Togormà,
dia soavaly mpitarika kalesa, soavaly fitaingina, ary mole,
no nandoavany ny vidin'ny entanao.
15 Ny terak'i Dedana nifampivarotra taminao;
ny varotra tamin'ireo nosy maro, teo am-pelatananao:
ny naloany ho vidiny
dia tandroka ivoara sy hazo mainty.
16 Arama nifampivarotra taminao,
ny amin'ny habetsahan'ny vokatrao;
vatosoa, jaky, amboradara,
rongony madinika, voahangy sy robisy
no nanefany ny volanao aminy.
17 Jodà sy ny tanin'Israely nifampivarotra taminao,
ny amin'ny varin'i Minita,
ny zava-manitra, ny tantely, ny diloilo, ny ditin-kazo manitra.
18 Damasa nifampivarotra taminao,
ny amin'ny habetsahan'ny vokatrao,
sy ny habetsahan'ny fanananao,
izay notakalozany ny divain'i Helbona sy ny volonondrin'i Tsakara.
19 Vedàna sy Javàna any Ozaly,
dia vy voatefy
no nividianany ny entam-barotrao;
kasy sy veromanitra no nanefany ny volanao aminy.
20 Dedana nifampivarotra taminao
ny amin'ny lamban-tsoavaly fanao hitaingenan-tsoavaly.
21 Arabia sy ny andriana rehetra tany Sedara
nifampivarotra taminao;
ondry sy ondralahy aman'osilahy
no nifampivarotany taminao.
22 Ny mpandranto avy any Sabà sy Reemà
nifampivarotra taminao;
izao zava-manitra tsara indrindra rehetra izao
sy izao vatosoa isan-karazany rehetra izao mbamin'ny volamena koa
no nandoavany ny vidin'ny entanao.
23 Harana, Sene sy Edena, ny mpandranto avy any Sabà,
Asora sy Kelmada nifampivarotra taminao:
24 zavatra fanao ravaka no nataon'ireo varotra taminao:
kapaoty jaky, volomparasy, lamba misy amboradara volamena,
vata fitoeram-pitafiana, tady mirandrana sady mafy,
hazo fisaka sedera fandefasanao entana.
25 Ny sambon'i Tarsisa no niara-nandeha maro,
nitatitra ny entanao.
Tonga mpanefoefo sy be voninahitra hianao;
teo amin'ny ranomasina.
26 Kanjo teo amin'ny rano be, izay nitondran'
ireo mampiasa fivoy anao
no namakian'ny rivotra avy atsinanana anao,
tao afovoan'ny ranomasina.
27 Ny harenanao, ny varotrao, ny entanao,
ny mpiantsambo amam-panamory eo aminao,
ny mpanamboatra sambo sy ny mpanelanelam-barotrao,
ny lehilahy mpiady rehetra
izay eo aminao, mbamin'ny vahoaka zavon-tany
izay eo afovoanao,
dia ho latsaka ao anatin'ny ranomasina
amin'ny andro hianjeranao.
28 Amin'ny fidradradradran'ny mpitondra sambonao
ny morontsiraka hihorohoro.
29 Hidina hiala amin'ny sambony avokoa
izay rehetra mampandeha fivoy,
ny tantsambo sy ny mpitari-dalan-tsambo rehetra amin'ny ranomasina,
ka hijanona eny an-tanety.
30 Hanandra-peo noho ny manjo anao
sy handefa fidradradradrana mampalahelo;
hanosim-bovoka ny lohany,
ary hihosinkosina amin'ny lavenona.
31 Noho ny aminao izy ireo hibory loha,
hitafy lasaka,
ary amin'ny alahelon'ny fanahiny dia handrotsa-dranomaso ny amin'ny momba anao,
dia ranomaso mangidy.
32 Ao anatin'ny alahelony izy ireo, hanao hira falahelovana anao,
ka hitomany anao hanao hoe:
Iza moa no tahaka an'i Tira, tahaka an'ilay tonga mangina,
ao afovoan'ny ranomasina?
33 Fony nivoaka avy amin'ny ranomasina ny entanao,
nahavoky firenena maro hianao;
amin'ny habetsahan'ny harenanao amam-barotrao,
nampanan-karena ny mpanjakan'ny tany hianao.
34 Ankehitriny kosa rahefa ravan'ny ranomasina hianao,
sady nazera any amin'ny fara fanambanin'ny riaka,
ny entanao mbamin'ny vahoaka rehetra tao aminao,
niara-rendrika taminao koa.
35 Ny mponina rehetra amin'ny nosy,
talanjona noho ny aminao;
ny mpanjakany raiki-tahotra;
ny tarehiny niova endrika.
36 Ny mpandranto avy amin'ny firenen-kafa
misitrisitry aminao.
Zary zava-mahatsiravina hianao;
ka tsy misy intsony hianao mandrakizay!