Bokin'i Ezekiela

Toko faha-28

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, lazao ny mpanjakan'i Tira hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Noho ny fonao nanandra-tena, sady hianao nanao hoe: Andriamanitra aho, no ipetrahako eo anivon'ny ranomasina, seza fiandrianan'Andriamanitra; nefa olombelona ihany hianao, fa tsy andriamanitra tsy akory, na dia ataonao ho toy ny fon'andriamanitra aza ny fonao!

3 - Indro hianao fa hendry noho i Daniely, tsy misy zava-takona miafina aminao;

4 tamin'ny fahendrenao amam-pahalalanao, nahazo harena ho anao hianao; ka nahangona volamena sy volafotsy miavosa, ho ao amin'ny rakitrao;

5 tamin'ny halehiben'ny fahendrenao, tamin'ny varotrao, hampitombo ny harenanao, ka dia nanandra-tena ny fonao azon'ny harenao. -

6 Noho izany, izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Satria nanao ny fonao ho toy ny fon'Andriamanitra hianao;

7 noho izany dia indro, hitondra firenen-kafa hamely anao aho, dia firenena masiaka indrindra amin'ny firenena; hotsoahany ny sabany, hamelezana ny filohan'asan'ny fahendrenao, ary hohamavoiny ny famirapiratanao.

8 Havariny any an-davaka hianao, ka ho faty amin'ny fahafatesan'izay voavono ao anatin'ny ranomasina.

9 Hianao va mbola hilaza hoe: Andriamanitra aho, eo anatrehan'ny mpamono anao; nefa olombelona ihany hianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, eo an-tànan'izay mamono anao?

10 Toy ny fahafatin'ny tsy voafora no hahafaty anao, amin'ny tanan'ny hafa firenena; fa izaho niteny, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1131