Bokin'i Ezekiela

Toko faha-3

1 Hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, hano io hitanao eo anoloanao io; hano io taratasy io, dia mandehana miteny amin'ny taranak'Israely.

2 Nosokafako ny vavako dia nafahany ahy io taratasy io;

3 ka hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ity taratasy atolotro anao ity ny tsinainao. Dia nohaniko izany, ka mamy hoatra ny tantely izy tao am-bavako. 4 Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, mandehana mankany amin'ny taranak'Israely, ary lazao aminy ny teniko. 5 Fa tsy ho any amin'ny firenena hafa fiteny, na miboeriboeri-piteny, no anirahako anao; fa ho any amin'ny taranak'Israely. 6 Tsy ho any amin'ny firenena maro hafa fiteny sy miboeriboeri-piteny, ka tsy ho azonao ny teniny, fa ho amin'izy ireo no anirahako ana; hahazo ny teninao izy. 7 Ary tsy hety hihaino anao ny taranak'Israely, satria tsy mety mihaino ahy izy, fa henjan-kandrina sy tsy vaky afero avokoa, ny taranak'Israely. 8 Nefa, indro, efa nataoko mafy hoatra ny handriny, ny handrinao. 9 Nataoko hoatra ny diamondra ny handrinao, mafy noho ny vatolampy aza. Koa aza matahotra azy, na mangovitra eo anatrehany, fa taranaka miodina izy. 10 Hoy koa izy tamiko: Ry zanak'olona, alatsaho am-po avokoa ny teny holazaiko aminao, ary henoy amin'ny sofinao, izy.

11 Mandehana hianao mankany amin'ireo lasan-ko babo, dia any amin'ireo zanaky ny firenenao, ka mitenena aminy; lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Tompo, na hihaino izy ireo na tsy hihaino. 12 Dia nofaohin'ny Fanahy aho, ka injay nisy feo nikotrokotroka mafy reko tao ivohoko, nanao hoe: Hankalazaina anie ny voninahitry ny Tompo ao amin'ny fitoerana fonenany.

13 Reko ny fikopakopaky ny elatr'ireo zava-manan'aina, nifandona, sy ny firohondrohon'ny kodiarana teo anilany, ary nisy feon-javatra nikotrokotroka mafy. 14 Nofaohin'ny Fanahy sy entiny aho, ka lasa; fangidiana amam-pisafoahana no tao amin'ny fanahiko; ary ny tànan'ny Tompo nihazona ahy mafy. 15 Dia tonga tany Tel-Abida aho, tany amin'ireo babo, nonina teo amoron'ny ony Kobara, sy tany amin'ny tany nonenany; ka nandritra ny hafitoana aho, dia ankona foana teo afovoan'izy ireo. 16 Nony afaka hafitoana, tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

17 Ry zanak'olona, tendreko ho mpitily eo amin'ny taranak'Israely hianao, hihaino ny teny haloaky ny vavako hianao; ary hananatra azy ireo amin'ny anarako. 18 Raha izaho milaza amin'ny ratsy fanahy hoe: Ho faty tokoa hianao; nefa hianao kosa tsy mananatra azy, tsy miteny mananatra azy amin'ny làlan-dratsiny, mba hahavelona azy, dia ho faty amin'ny helony ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tànanao ny rany. 19 Fa rahefa nananatra an'ilay ratsy ihany kosa hianao, fa izy no tsy nety niala amin'ny haratsiany aman-dàlan-dratsiny; dia izy ihany no ho faty amin'ny helony; fa hianao kosa dia efa namonjy ny fanahinao. 20 Raha misy olo-marina miala amin'ny fahamarinany sy manao heloka, ka mametraka fandrika eo anoloany aho, dia ho faty izy; noho hianao tsy nananatra azy dia ho faty amin'ny fahotany izy; ny asa fahamarinana nataony tsy ho tsarovana intsony; ary ny rany kosa hadiniko amin'ny tànanao. 21 Fa tsy nanota tokoa, dia ho velona tokoa izy, satria nahazo anatra; ary hianao koa, ho efa namonjy ny fanahinao. 22 Teo amiko ny tànan'ny Tompo, ary hoy izy tamiko: Mitsangàna hianao, mankanesa any an-tany lemaka, fa any no hitenenako aminao.

23 Nitsangana aho nankany an-tany lemaka, dia indro teo ny voninahitry ny Tompo, tahaka ilay voninahitra efa hitako tany amin'ny ony Kobara; ka lavo niankohoka terý aho. 24 Niditra tato anatiko ny Fanahy, ka nataony mijoro amin'ny tongotro aho; ary niteny tamiko Iaveh nanao hoe: Mandehana mirindrin-trano ao aminao. 25 Fa indro hianao, ry zanak'olona, hasiana tady hafatotra, ary tsy ho afa-mivoaka ho any amin'izy ireo. 26 Haraikitro amin'ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana hianao, dia tsy ho mpaniny azy ireo, satria taranaka miodina izy. 27 Rahefa hiteny aminao aho, dia hosokafako ny vavanao, ka hilaza amin'izy ireo hianao hanao hoe: Izao no lazain'ny Tompo Tompo: Izay mety hihaino, aoka hihaino; ary izay tsy mety aoka tsy hihaino; fa taranaka miodina izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0893