Bokin'i Ezekiela

Ezekiela toko 31
Faminaniana mamely an'i Ejipta - Fanoharana amin'ny Sedera.

       1 Tamin'ny taona faharaika ambin'ny folo, volana fahatelo, andro voalohan'ny volana, tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe: 2 Ry zanak'olona, lazao amin'i Faraona mpanjakan'i Ejipta sy amin'ny vahoakany maro hoe:

Tahaka an'iza moa hianao, amin'ny fahalehibeazanao?
       3 Indro fa Asora dia hazo sedera any Libàna,
tsara rantsana, be alokaloka, avo vatana,
ary mitehika amin'ny rahona ny tendrony.
       4 Ny ranobe nampitombo azy;
ny rano lalina, nahalehibe azy,
tamin'ny nampandehanany ny oniny,
tamin'ny manodidina ny fitoerana nambolena azy,
sy tamin'ny nandefasany ny sakeli-dranony,
ho ao amin'ny hazo rehetra any an-tsaha.
       5 Noho izany ny vatany nijoroaka,
lasa avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha;
ny sampany nihalehibe;
ny rantsany, nihalava,
noho ny habetsahan'ny rano, tamin'ny fotoana nitomboany.
       6 Ny voromanidina rehetra, nanao akany teo amin'ny sampany;
ny biby rehetra any an-tsaha, niteraka teo ambanin'ny rantsany;
ny firenena maro no nipetraka teo ambany alokalony.
       7 Nahatsara tarehy azy ny fahalehibeazany, sy ny halavan'ny sampany,
fa latsaka lalina tao amin'ny rano betsaka ny fakany.
       8 Ny sedra ao amin'ny sahan'Andriamanitra, tsy nahamatroka azy;
ny sipresa, tsy nahatoraka ny sampany;
ary ny pilatana tsy tahaka ny rantsany;
ary ny hazo tao amin'ny sahan'Andriamanitra, tsy nisy tsara tarehy toa azy.
       9 Nataoko tsara tarehy izy amin'ny hamaroan'ny rantsany,
ka hialona azy avokoa ny hazo rehetra ao Edena,
dia izay rehetra ao amin'ny sahan'Andriamanitra.
       10 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh:
satria izy nisandratra ho avo,
sy nanandratra ny tendrony hatrany amin'ny rahona,
ary niavonavona noho ny fisandratry ny fony,
       11 dia natolotro izy ho eo an-tànan'ny andriamanitry ny firenena
hataony amin'izay sitrapony;
noroahako izy, noho ny haratsiany.
       12 Notapahan'ny hafa firenena
- firenena masiaka indrindra amin'ny firenena, - navelany teo izy;
teny an-tendrombohitra aman-dohasaha rehetra teny
no niampatramparan'ny sampany;
ny rantsany tapaka nitsingidina
teny amin'ny mason-driaka rehetra amin'ny tany;
nihataka niala tamin'ny alokalony ny firenen'ny tany rehetra,
ka dia nandao azy avokoa.
       13 Ny tapatapany ahatongavan'ny voromanidina rehetra hipetraka,
ary ny rantsany itsofohan'ny biby rehetra any an-tsaha:
       14 mba tsy hisy hazo voavoly amin'ny rano, hisondrotra ho avo,
sy hanandratra ny tendrony hatrany amin'ny rahona,
ary mba tsy hisy amin'izay mifo-drano,
hatoky tena noho ny fiavonavonany;
fa izy rehetra, samy voatendry ho faty,
ho any ambanin'ny tany,
hiharo amin'ny zanak'olombelona,
dia amin'izay midina any an-davaka.
       15 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh:
Tamin'ny andro nidinany ho any amin'ny seoly,
nampanao fisaonana aho;
ny rano lalina nosaronako, noho ny aminy;
ny ony mandeha najanoko;
ny ranobe, niato;
Libàna, nampanjomboniko, noho ny aminy;
ary ny hazo any an-tsaha, nilofika avokoa noho ny aminy.
       16 Nataoko nihorohoro ny firenena, tamin'ny fiezinezin'ny fianjerany,
tamin'ny namarinako azy ho any amin'ny seoly,
miaraka amin'ireo midina any an-davaka.
Nianina tany ambanin'ny tany
ny hazon'i Edena rehetra,
ny tsara tarehy sy kanto indrindra tany Libàna,
dia izay rehetra bobo-drano.
       17 Niara-nidina taminy koa ireo, ho any amin'ny seoly,
nankany amin'ireo matin'ny sabatra,
izay sandriny, sy nipetraka teo amin'ny alokalony,
teo afovoan'ny firenena.
       18 Koa iza no itovizanao voninahitra amam-pahalehibeazana,
ireo hazon'i Edena?
Havarina hianao miaraka amin'ny hazon'i Edena
any ambanin'ny tany;
hamparina eo amin'ireo tsy voafora,
miaraka amin'ireo voatrobaky ny sabatra.

Izany no hanjo an'i Faraona, mbamin'ny vahoakany maro,
- teny marin'ny Tompo Iaveh.