Bokin'i Ezekiela

Toko faha-32

1 Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo, volana faharoa amain'ny folo, tamin'ny andro voalohan'ny volana dia tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, manaova hira fitomaniana an'i Faraona, mpanjakan'i Ejipta, ka lazao aminy hoe: Ry lionan'ny firenena ocirc;, levona hianao! Tahaka ny mamba teo anatin'ny ranomasina hianao, niezaka tany amin'ny oninao hianao, ary nanakobana ny ranony tamin'ny tongotrao, ary nandoto ny lakan-dranony. 3 Ka izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Hamelatra ny fandriko hamely anao aho; ka fitambaran'ny firenena maro no hoentiko manao izany, ka hotarihany hivoaka, amin'ny haratoko, hianao,

4 dia havelako eo amin'ny tany hianao, hatsipiko eny an-tampon-tanety hianao, ka ny voromanidina rehetra hoentiko hipetraka aminao; ary ny biby amin'ny tany rehetra, hataoko voky amin'ny tenanao.

5 Hataoko eny an-tendrombohitra ny nofonao, ary hofenoiko ny tapatapakao sisa ny lohasaha.

6 Hotondrahako ny ranao mandriaka ny tany, hatramin'ny tendrombohitra, ary ho feno anao ny mason-driaka.

7 Amin'ny hamonoako anao, hotakonako ny lanitra, ary hohamaiziniko ny kintana, ny masoandro hosaronako rahona; ny volana, tsy handefa intsony ny fahazavany.

8 Hotafiako fisaonana noho ny aminao ny kintana mamirapiratra rehetra eny an-danitra; ary ny taninao hosaronako aizim-be - teny marin'ny Tompo Iaveh.

9 Hataoko mitebiteby ny fon'ny firenena maro, rahefa ampandrenesiko ny faharavanao ireo firenena, any amin'ny tany tsy fantatrao.

10 Hataoko talanjona noho ny aminao ny firenena maro; hihena velona, noho ny aminao, ny mpanjakany, rahefa ampandihiziko eo imasony ny sabatro; ary hanjonitra lava izao izy amin'ny andro haharavanao, samy manahy ny ainy avy.

11 Fa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Ny sabatry ny mpanjakan'i Babilona, ho tonga aminao!

12 Ny ankabeazam-bahoaka, hataoko lavo, amin'ny sabatry ny mahery, izay masiaka eo amin'ny firenena rehetra; haongany ny reharehan'i Ejipta, ary ny vahoaka rehetra ao aminy ho voafongotra.

13 Tsy hasiako miangana ny biby fiompiny rehetra, eny amoron'ny rano betsaka; tsy hokobanin-tongotr'olona intsony ireny na hokobanin-kitrom-biby intsony.

14 Amin'izany ny ranony hampandriko, ary ny oniny hampandehaniko hoatra ny diloilo; - teny marin'ny Tompo Iaveh.

15 Rahefa avy izay hampanjariako ho tany lao ny tany Ejipta, sy izay hahafoana ny tany amin'ny zavatra ao aminy, ary hamelezako ny mponina rehetra ao aminy, dia ho fantatr'izy ireo fa Iaveh aho.

16 Izany no hira fitomaniana, ka hotononin'ny olona io, hotononin'ny zanakavavin'ny firenena; hotononiny momba an'i Ejipta sy ny vahoakany be rehetra; - teny marin'ny Tompo Iaveh.

17 Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo, andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana, tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

18 Ry zanak'olona, midridridridria momba ny vahoakaben'i Ejipta; ampidino izy, mbamin'ny zanakavavin'ireo firenena malaza, ho any ambanin'ny tany, miaraka amin'izay midina any an-davaka.

19 Iza no nihoaranao hatsaran-tarehy? ...Midìna, ka miampara ao akaikin'ireo tsy voafora!

20 Hiampatrampatra eo afovoan'ny voatrobaky ny sabatra izy ireo! Efa voatolotra ny sabatra; tariho Ejipta, mbamin'ny vahoakany maro be rehetra.

21 Hiteny aminy ny mahery indrindra amin'ireo lehilahy mahery fo, mbamin'ny mpanampy azy ao afovoan'ny seoly, hanao hoe: Tafidina sy miampatra, ireo tsy voafora voatrobaky ny sabatra!

22 Ao Asora, mbamin'ny vahoakany rehetra; manodidina azy ny fasany; voatrobaka avokoa, lavon'ny sabatra avokoa izy.

23 Natao any am-paravody lavaka, ny fasan'izy ireo: voalahatra manodidina ny fasany ny vahoakany; voatrobaka avokoa, lavon'ny sabatra avokoa izy ireo, izay naharaiki-tahotra teny amin'ny tanin'ny velona.

24 Ao ry Elama, mbamin'ny vahoakany rehetra alinalina manodidina ny fasany; voatrobaka avokoa, lavon'ny sabatra avokoa; ireo tsy voafora nidina tany ambanin'ny tany, izay efa naharaiki-tahotra, teny amin'ny tanin'ny velona; nivesatra ny fahafaham-barakany izy ireo, miaraka amin'izay nidina any an-davaka.

25 Teo amin'ireo voatrobaka no anamboarana fandriana ho azy mbamin'ny vahoakany rehetra alinalina; manodidina azy ny fasany; samy tsy voafora avokoa, samy voatrobaky ny sabatra avokoa izy ireo, fa niely ny fahatahorana azy teny amin'ny tanin'ny velona, ary nitondra ny fahafaham-barakany izy, miaraka amin'izay midina any an-davaka; napetraka teo amin'ireo voavono izy.

26 Ao ry Mosòka, Tobala, mbamin'ny vahoakany rehetra alinalina; manodidina azy ny fasany; samy tsy voafora avokoa, samy lavon'ny sabatra avokoa izy, fa nampiely fahatahorana teny amin'ny tanin'ny velona.

27 Izy ireo tsy mba hiara-miampatra amin'ny mahery, izay lavo isan'ny tsy voafora, sy nidina any amin'ny seoly nitondra ny fiadiany, sy nopetrahana ny sabany eo ambonin'ny lohany; fa eo ambonin'ny taolany ny helony, satria nampatahotra ny mahery izy, teny amin'ny tanin'ny velona.

28 Hianao koa ho torotoro, eo afovoan'ny tsy voafora; sy hiara-miampatra amin'izay voatrobaky ny sabatra.

29 Ao ry Edoma, mbamin'ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra teo aminy: izy ireo na dia be aza ny heriny dia natao teo amin'ny voatrobaky ny sabatra, miara-miampatra amin'ny tsy voafora koa izy, sy amin'izay nidina any an-davaka.

30 Ao ny andrian'ny Avaratra, dia izy rehetra mbamin'ny Sidoniana rehetra; niara-nidina tamin'ny voatrobaka izy ireo,na dia efa nampatahotra aza izy, na dia mahery fo aza, dia efa mangaihay! Miampatra ireo tsy voafora amin'izay voatrobaky ny sabatra, ary mitondra ny fahafaham-barakany miaraka amin'ny midina any an-davaka.

31 Hahita azy Faraona, ka hanonon-tena, ny amin'ny vahoakany maro be. Niara-voatrobaky ny sabatra, Faraona sy ny miaramilany rehetra, - teny marin'ny Tompo Iaveh!.

32 Fa efa nanely ny fahatahorana azy aho teny amin'ny tanin'ny velona; ary indro izy miara-miampatra amin'ny tsy voafora, miaraka amin'izay voatrobaky ny sabatra, izy Faraona sy ny vahoakany rehetra alinalina; - teny marin'ny Tompo Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1243