Bokin'i Ezekiela

Toko faha-33

7 Koa hianao, ry zanak'olona, no efa notendreko ho mpitily, ho an'ny taranak'Israely, ary rahefa mandre teny aloaky ny vavako hianao dia hanaitra azy amin'ny anarako.

8 Raha niteny aho nilaza tamin'ny ratsy fanahy hoe: Ho faty marina hianao, ry ilay ratsy fanahy, ka tsy miteny hianao, hananatra ny ratsy fanahy hiala amin'ny làlany, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay io, noho izy ratsy fanahy, nefa hadiniko aminao ny rany. 9 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa hianao, hialany amin'ny làlany, fa izy no tsy mety miala amin'ny làlany, dia ho faty ao amin'ny helony, fa hianao kosa hahavonjy ny fanahinao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0489