Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Ezekiela

Ezekiela toko 34, 11-12.15-17

       <11Fa izao no lazain'ny Tompo Iaveh:
Indro izaho dia izaho ihany no hiahy ny ondriko,
sy handinidinika azy.
       12Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny,
amin'ny andro hitsanganany eo amin'ireo ondriny mihahaka
no handinidinihako ny ondriko;
ary hesoriko izy ireo,
hiala any amin'ny tany rehetra
efa nielezany
tamin'ny andro mandrahona sy manjombona.
       15Izaho no hiandry ny ondriko, izaho ho hampandry azy;
- teny marin'ny Tompo Iaveh.
       16Ny very, hotadiaviko;
ny nania, haveriko; ny naratra, hotsaboiko;
ary ny marary, hohatanjahako;
fa ny matavy sy ny matanjaka kosa, haringako;
handrasako ara-drariny, izy ireo.
       17Ary ny aminareo, ry ondriko,
izao no lazain'ny Tompo Iaveh:
Indro aho, hitsara, manavaka ny reniondry sy ny reniondry;
manavaka ny ondralahy sy ny osilahy. >