Bokin'i Ezekiela

Toko faha-35

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Ry zanak'olona atodiho mankany amin'ny tendrombohitr'i Seira ny tavanao, ka maminania ny hanjo azy, manaova hoe:

3 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro aho, ry tendrombohitra Seira ho avy ao aminao, haninjitra ny tànako hamely anao.

4 Hataoko rava ny tanànanao; ho tonga lao hianao; dia ho fantatrao fa Iaveh aho.

5 Noho hianao manao lolom-po tsy misy farany, sy nanolotra ny zanak'Israely ho an'ny sabatra, tamin'ny andro nahitany loza, tamin'ny andron'ny faharatsiana farany,

6 noho izany dia velona aho; - teny marin'ny Tompo Iaveh: Hataoko feno ra mandriaka hianao, ary ny ra hanenjika anao. Noho hianao tsy nankahala ny ra, dia hoenjehin'ny ra hianao.

7 Ny tendrombohitra Seira hataoko lao sy zary efitra, ary ny mandroso sy miverina eo, hataoko tsy misy intsony.

8 Hofenoiko ny maratra ho faty aminy ny tendrombohiny; eny amin'ny havoananao, sy eny amin'ny lohasaha aman-dohasahan-driakanao, dia ho lavo ny olona voavonon'ny sabatra.

9 Hataoko lao mandrakizay hianao, ary tsy honenana intsony ny tanànanao; dia ho fantatrareo fa Iaveh aho.

10 Noho hianao nanao hoe: Ho ahy avokoa ny firenena roa sy ny tany roa, ka hahazo azy ho fanananay izahay! - ary teo kosa Iaveh - noho izany, velona aho,

11 - teny marin'ny Tompo Iaveh: dia hanao aho araka ny hatezeranao sy ny fialonanao, izay nasehonao noho ny fankahalanao azy ireo, ary hampahafantariko eo aminy ny tenako, rahefa hitsara anao aho.

12 Ary ho fantatrao fa izaho Iaveh, dia nandre ny fanaratsianao rehetra, izay notononinao tamin'ny tendrombohitr'Israely, nanao hoe: Efa rava ireny, ka natolotra anay, ho remby hohaninay!

13 Nihaika ahy hianareo tamin'ny lahateninareo; sady nanamaro ny teninareo, namely ahy. Izaho kosa efa nandre izany!

14 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Amin'ny hafalian'ny tany rehetra, hianao kosa hataoko lao.

15 Toy ny nifalianao, ny amin'ny lovan'ny taranak'Israely tamin'ny faharavany, toy izany no hataoko aminao: ho rava hianao, ry tendrombohitra Seira, mbamin'Idomea manontolo; dia ho fantatry ny olona fa Iaveh aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0531