Bokin'i Ezekiela

Toko faha-36

23 Hohamasiniko ny anarako lehibe izay voala baraka, eny amin'ny firenena nanalanareo baraka azy, dia ho fantatry ny firenena fa Tompo Iaveh aho - teny marin'ny Tompo Iaveh, rahefa manamasin-tena ao aminareo, eo imasony aho.

24 Halaiko avy any amin'ny firenena hianareo, hangoniko avy any amin'ny tany rehetra ka hampodiko eo amin'ny taninareo.

25 Hofafazako rano madio hianareo, dia hadio; ny fahalotoanareo rehetra mbamin'ny fahavetavetanareo rehetra, hataoko afaka aminareo.

26 Homeko fo vaovao hianareo, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo hianareo.

27 Hataoko ao anatinareo ny Fanahiko ary hataoko manaraka ny fitsipiko hianareo, ka hitandrina ny didiko, sy hanaraka izany.

28 Honina eo amin'ny tany nomeko ny razanareo hianareo, dia ho vahoakako hianareo, ary izaho ho Andriamanitrareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0699