Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Ezekiela

Ezekiela toko 37, 12-14,
<12Koa maminania, ary lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro aho hanokatra ny fasanareo, hampiakatra anareo avy ao am-pasanareo, ry vahoakako ô, ary hitondra anareo ho eo amin'ny tanin'Israely. 13Ary dia ho fantatrareo fa Iaveh aho, rahefa voasokatro ny fasanareo, ary tafakatra avy ao am-pasanareo hianareo, ry vahoakako. 14Hataoko ao anatinareo ny fanahiko, dia ho velona hianareo, sady homeko fitsaharana eo amin'ny taninareo ka dia ho fantatrareo fa izaho Iaveh dia milaza sy manatanteraka koa, - teny marin'ny Tompo. >