Bokin'i Ezekiela

Toko faha-37

21 Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro halaiko any amin'ny firenena nalehany, ny zanak'Israely; hangoniko avy any rehetra any izy, dia hoentiko miverina eo amin'ny taniny. 22 Hataoko firenena iray ihany eo amin'ny tany, eo ambonin'ny tendrombohitr'Israely, izy; mpanjaka iray ihany no hanjaka amin'izy rehetra; tsy ho firenena roa intsony izy, na tafasaraka ho fanjakana roa. 23 Tsy handoto tena intsony izy, na amin'ny sampiny vetaveta, na amin'ny fahavetavetany, na amin'ny hadisoany rehetra; hovonjeko ho afaka amin'ny fiodinany rehetra nanotany izy, ary hodioviko; izy ireo ho vahoakako, ary izaho ho Andriamaniny. 24 Davida mpanompoko no ho mpanjakany; ary izy rehetra hiray mpiandry, hanaraka ny fitsipiko, hitandrina ny didiko, ary hanaraka izany. 25 Honina eo amin'ny tany nomeko an'i Jakoba mpanompoko sy nonenan'ny razany, izy ireo; dia honina eo izy mbamin'ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrakizay, ary Davida mpanompoko no ho mpanapaka azy mandrakizay. 26 Sady hanao fanekem-pihavanana amin'izy ireo aho, ka ho fanekena aminy mandrakizay izany; ary izaho hanorina azy, hampitombo azy, ary hanangana ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay. 27 Ny fonenako, ho eo ambonin'izy ireo; izaho ho Andriamaniny; ary izy ho vahoakako. 28 Dia ho fantatry ny firenena fa Iaveh aho manamasina an'Israely, rahefa ho eo aminy mandrakizay ny fitoerako masina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1415