Bokin'i Ezekiela

Toko faha-38

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:

2 Ry zanak'olona, atodiho mankany Goga ny tavanao, any amin'ny tany Magoga, izay mpanapaka ambony any Mosoka sy Tobala, ary maminania ny aminy, ka ataovy hoe:

3 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro avy aho ho any aminao, ry Goga, mpanapaka ambony any Mosoka sy Tobala.

4 Hotarihako hianao, hasiako farango ny valanoranonao, ary hoentiko mivoaka avokoa hianao sy ny tafikao rehetra, soavaly amam-pitaingina azy, samy hary fitaovana tsara indrindra avokoa; miaramila maro, mitondra ampinga be aman'ampinga kely, samy mahay sabatra avokoa.

5 Ny Persa sy ny Etiopiana ary ny Libiana hiaraka aminy, samy manana ampinga be amam-piarovan-doha avokoa.

6 Gomera sy ny antoko-miaramilany rehetra, ny taranak'i Togormà avy any amin'ny faritany avaratra, sy ny antoko-miaramilany rehetra; vahoaka maro be dia be hiaraka aminao avokoa.

7 Aoka ho voaomana hianao; ataovy ny fitaovanao, dia hianao sy ny vahoaka be rehetra, tafavory manodidina anao; ary hianao no aoka ho lehibeny.

8 Raha afaka andro maro, hovangiana hianao; nony any am-paran'ny taona any dia ho avy hianao, hamely ny firenena afaka tamin'ny sabatra nangonina avy eny amin'ny firenena maro, ho ao an-tendrombhitr'Israely izay efa lao nandritra ny ela, hamely ny firenena nampodina avy any amin'ny firenena, sy efa monina mandry fahizay avokoa izy manontolo.

9 Hiakatra hianao, ka ho avy toy ny rivo-doza, hanahaka ny rahona hanarona ny tany, hianao mbamin'ny antoko-miaramilanao rehetra, ary ny firenena maro miaraka aminao.

10 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Amin'izany andro izany, hisy hevitra hitranga ao am-ponao, ka hamoron-tsain-dratsy hianao.

11 Hianao hilaza hoe: Hiakatra aho hamely izany tany misokatra izany, ho avy aho ho ao amin'ireo olona miadana sy mandry fahizay ireo, izay samy manana fonenana tsy mimanda avy, tsy manana hidy, na vavahady akory.

12 Dia handeha hianao mba handroba, hanangona babo, hamely ny tanàna efa rava saingy ankehitriny efa misy mponina, dia firenena nangonina avy any amin'ny firenena, izay miompy biby sy efa mihary fananana, ary monina eo afovoan'ny tany.

13 Sabà sy Dedàna ary ny mpandranton'i Tarsisa mbamin'ireo liona tanorany rehetra, hanao aminao hoe: Tonga handroba va hianao? Nanangona ny miaramilanao va hianao, mba hanangona babo, hanala volafotsy sy volamena, hangorona biby fiompy aman-karena, ary hipaoka babo betsaka?

14 Koa maminania, ry zanak'olona, ka lazao amin'i Goga hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Tsy izao va? Amin'izany andro izany, rahefa mandry fahizay ny vahoakako,

15 dia hahalala izany hianao, ka ho tonga avy any amin'ny taninao, avy any amin'ny farany avaratra, hianao sy ireo firenena maro miaraka aminao, samy an-tsoavaly avokoa, miaramila betsaka, tafika mahery.

16 Ary hiakatra hamely an'Israely vahoakako hianao, toy ny rahona hanarona ny tany. Any am-paran'ny andro any no hitondrako anao hamely ny taniko mba hahafantaran'ny firenena ahy rahefa manamasina ny tenako ao aminao aho, ry Goga, eo imason'ireo.

17 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Tsy hianao va no nolazaiko tamin'ny andro fahiny, tamin'ny vavan'ireo mpanompoko, ny mpaminanin'Israely, izay naminany nandritra ny taona maro, tamin'izany andro izany, ny amin'ny hampiakarako anao hamely azy ireo?

18 Ary izao no hitranga amin'izany andro izany, dia amin'ny andro hiakaran'i Goga amin'ny tanin'Israely; - teny marin'ny Tompo Iaveh, hiefonefona eo am-bavoroko ny fahatezerako,

19 ary noho ny fahasarota-piaroko amam-pirehitry ny fahatezerako - teniko izany, - amin'izany andro izany, dia hisy horohoron-tany mafy eo amin'ny tanin'Israely.

20 Ny hazandrano ao an-dranomasina hangovitra eo anatrehako avokoa, mbamin'ny voromanidina amam-bibin'ny tany, sy ny biby mandady rehetra mikisaka amin'ny tany, ary ny olona rehetra ambonin'ny tany; ny tendrombohitra hirodana, ny vatolampy hianjera; ary ny manda rehetra hikoa amin'ny tany.

21 Hiantso sabatra hamely azy eny amin'ny tendrombohitra rehetra eny aho, - teny marin'ny Tompo Iaveh, ka samy hamotitra ny sabany hamely ny rahalahiny avy izy.

22 Hanao fitsarana azy aho amin'ny pesta, sy ny ra; handatsaka ranonorana manafotra aman-kavandra vato, afo aman-tsolifara hihatra aminy sy amin'ny miaramilany, ary amin'ny firenena maro hiaraka aminy.

23 Hiseho ho lehibe sy masina aho, ary hampahafantatra ny tenako eo imason'ny firenena maro, ka ho fantatr'izy ireo fa Iaveh aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0856