Bokin'i Ezekiela

Toko faha-39

1 Ary hianao, ry zanak'olona, maminania ny hamelezana an'i Goga, ka lazao hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro aho ho avy hamely anao, ry Goga, mpanapaka lehiben'i Mosoka sy Tobala.

2 Halaiko, hotarihiko hianao, hampiakariko avy any amin'ny farany avaratra, ary hoentiko any an-tendrombohitr'Israely.

3 Any dia halatsako avy eny an-tànanao an-kavia ny tsipìkanao, ary hararako avy eny an-tànanao an-kavanana ny zana-tsipìkanao.

4 Hitsingidina eny an-tendrombohitr'Israely hianao, dia hianao sy ny antoko miaramila rehetra, mbamin'ireo firenena hiaraka aminao; ny vorona mpihaza, ny vorona isan-karazany, mbamin'ny bibin'ny tany no hanolorako anao mba hohaniny.

5 Hiampatra eny an-tampon-tanety eny, hianao, fa izaho no efa niteny, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

6 Handefa afo ho any amin'ny tany Magoga aho sy ho any amin-dry zareo monina fahizay any amin'ireo nosy, ka ho fantany fa Iaveh aho.

7 Ary hataoko fantatra ny anarako masina, eo amin'Israely vahoakako, ka tsy hekeko hotsiratsiraina intsony ny anarako masina, dia ho fantatry ny firenena fa Iaveh aho, ilay masina eo amin'Israely.

8 Indro tonga izany zavatra izany ka ho tanteraka, - teny marin'ny Tompo Iaveh: izany no ilay andro nolazaiko!

9 Amin'izany, hivoaka ny mponina amin'ny tanànan'Israely, handoro sy hampiredaka ny fiadiana, dia ny ampinga amam-piarovan-tena, ny tsipìka aman-jana-tsipìka, ny langilangy aman-defom-pohy, hatainy izany mandritra ny fito taona.

10 Tsy hitondra kitay hazo avy any an-tsaha intsony izy ireo, na hikapa hazo any an'ala, fa ny fiadiana no hatainy; hambabo an'izay nambabo azy izy; ary handroba an'izay nandroba azy, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

11 Ary izao no hitranga amin'izany andro izany: Goga homeko fitoerana izay isian'ny fasany, eo amin'Israely, dia ny lohasahan'ny Mpandalo ao atsinanan'ny ranomasina, ary hanampin-dalana tsy halehan'ny mpandalo izany fasana izany. Eo no handevenana an'i Goga mbamin'ny vahoakabeny rehetra, ary lohasahan'i Hamona-Goga no hatao anaran'io fitoerana io.

12 Handevina azy ireo ny taranak'Israely, mba hanadiovany ny tany, mandritra ny fito volana mipaka.

13 Handevina avokoa ny vahoaka amin'ny tany; ary ho andro malaza ho azy ireo izany, fa andro hanehoako ny voninahitro an-karihary, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

14 Hanendry olona izy ireo izay homena raharaha mba hitetitety tany, mandevina ny mpandalo izay sisa tavela teo ambonin'ny tany, - mba hanadiovany ny tany; rahefa afaka ny fito volana dia handeha hikaroka, ireo.

15 Ary rahefa mitety ny tany ireo olona ireo, raha misy mahita taolan'olona, dia hanangana famantarana eo anilany izy, mandra-pandevin'ny mpandevina azy, ao amin'ny lohasaha Hamona-Goga.

16 Ary ho anaran-tanàna koa, Hamona; toy izany no hanadiovana ny tany.

17 Ary hianao, ry zanak'olona, izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Lazao amin'ny voromanidina isan-karazany, mbamin'ny biby rehetra any an-tsaha hoe: Mivoria hianareo, ka mankanesa aty! Miangona avy eny amin'ny manodidina eny, ho amin'ny sorona izay ataoko ho anareo, dia sorona lehibe any an-tendrombohitr'Israely; hihinana nofo hianareo sy hisotro ra.

18 Nofon'ny lehilahy mahery no hohaninareo, ran'ny mpanapaka amin'ny tany no hosotroinareo, dia ondralahy, zanak'ondry, osilahy, vantotr'ombalahy, omby mifahy, avy any Basana, samy tafatambatra avokoa.

19 Hihinana tavin-kena hianareo, ka ho voky, hisotro ra hianareo, mandra-pahaleonareo, amin'izany sorona nataoko ho anareo izany.

20 Amin'ny latabatro hianareo hivoky soavaly amam-pitaingina azy, lehilahy mahery amam-piady isan-karazany; - teny marin'ny Tompo Iaveh.

21 Haneho ny voninahitro eo amin'ny firenena aho, ka ho hitan'ny firenena rehetra ny fitsarana hataoko sy ny tànako hahinjitro amin'izy ireo.

22 Ka ho fantatry ny taranak'Israely, fa Iaveh Andriamaniny aho, hatramin'izay andro izay, ka hatramin'ny ho avy.

23 Ary ho fantatry ny firenena fa noho ny heloka nataon'ny zanak'Israely, no nahalasan-ko babo azy, satria nivadika tamiko izy. Koa nanafina ny tavako taminy aho ary natolotro ho eo an-tanan'ny fahavalony, mba ho lavon-tsabatra izy rehetra.

24 Noho ny fahalotoany amam-pivadihany no nanaovako izany taminy sy nanafenako ny tavako taminy.

25 Koa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Ankehitriny, hampodiko ny babo amin'ny taranak'i Jakoba, hamindrako fo ny taranak'Israely rehetra, ary hasehoko ny fahasarota-piaroko ny anarako masina.

26 Hitondra ny fahafaham-barakany izy, mbamin'ny fivadihany rehetra nataony tamiko, raha avy izay handriany fahizay eo amin'ny taniny, ka tsy hisy mpanaitaitra intsony.

27 Rahefa hampody azy avy any amin'ny firenena aho sy hanangona azy avy any amin'ny tanim-pahavalony, ary hanamasina tena ao amin'izy ireo eo imason'ny firenena maro,

28 dia ho fantany fa Iaveh Andriamaniny aho, tamin'ny nitondrako azy ho babo any amin'ny firenena sy nanangonako azy indray eo amin'ny taniny, ary tsy hisy havelako hitoetra any intsony izy ireo, na dia iray aza.

29 Ary tsy hanafina ny tavako aminy intsony aho, satria hampidiniko amin'ny taranak'Israely ny Fanahiko; - teny marin'ny Tompo Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0367