Bokin'i Ezekiela

Toko faha-40

1 Tamin'ny taona fahadimy amby roapolon'ny nahababo antsika, tamin'ny fiandohan'ny taona, andro fahafolon'ny volana, taona fahefatra ambin'ny folon'ny naharavan'ny tanàna, tonga tamiko androtr'izay ihany ny tànan'ny Tompo, ka nitondra ahy ho any amin'izany fitoerana izany.

2 Tamin'ny fahitana avy amin'Andriamanitra no itondrany ahy, ho any amin'ny tanin'Israely, dia napetrany teo amin'ny tendrombohitra anankiray, avo dia avo; ary nisy hoatra ny tanàna naorina eo amin'ny ilany atsimo amin'izany tendrombohitra izany. 3 Nony tongany teo amin'io fitoerana io aho, dia nahita lehilahy anankiray, ka ny tarehany toa nitarehim-barahana no fijery azy; ary kofehy rongony aman-tehana fandrefesana no teny an-tànany, ary teo amin'ny vavahady izy. 4 Dia hoy ralehilahy tamiko: Ry zanak'olona, mijere amin'ny masonao, mihainoa amin'ny sofinao, ary mandiniha tsara ao am-ponao ny zavatra rehetra hasehoko anao, fa ny hanehoana an'izany aminao no nitondrana anao etoana. Ampahalalao ny taranak'Israely avokoa, izay rehetra ho hitanao. 5 Nisy manda ivelany nanodidina ny trano, tamin'ny lafiny rehetra; ary nisy volotara fandrefesana enina hakiho teny an-tànan-dralehilahy; nihoatra vodivoam-pelatànana avy ny iray hakiho. Norefesiny ny hatevin'io rafitra io, ka eran'ny volotara; ary ny hahavony, ka eran'ny volotara.

6 Rahefa izany dia nankeo amin'ny vavahady, dia ilay mitodika miatsinanana ny anoloany, ka niakatra ny ambaratonga izy; ary norefesiny ny tokonam-bavahady, ka eran'ny volotara ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany eran'ny volotara ny sakany.

7 Ny efitrano tsirairay avy dia eran'ny volotara ny lavany, eran'ny volotara ny sakany; dimy hakiho avy ny elanelan'ny efitra. Ny tokonam-bavahady anilan'ny efitra fidirana amin'ny vavahady tandrifin'ny trano dia eran'ny volotara. 8 Norefesiny ny efitra fidirana amin'ny vavahady tandrifin'ny trano dia eran'ny volotara. 9 Norefesiny indray ny efitra fidirana amin'ny vavahady ka nisy valo hakiho, ary ny andriny, roa hakiho. Ny efitra fidirana amin'ny vavahady dia tandrifin'ny trano. 10 Ny efitry ny vavahady atsinanana dia telo no teo an-daniny iray, telo koa no teo andaniny iray; mitovy refy avokoa izy telo avy ireo; sady mitovy refy ny andriny. 11 Norefesiny ny vavan'ny vavahady, ka folo hakiho ny sakany, telo ambin'ny folo hakiho ny halavany. 12 Teo anoloan'ny efitra nisy fefy iray hakiho avy ny lafiny; ny efitra dia samy enina hakiho ny lafiny iray, ary enina hakiho ny lafiny iray hafa. 13 Norefesiny ny vavahady hatramin'ny tafon'ny efitra iray, ka hatramin'ny tafon'ny iray hafa; nisy dimy amby roapolo hakiho ny sakany, hatramin'ny varavarana anankiray ka hatramin'ny varavarana iray hafa. 14 Enimpolo hakiho no nisainy momba ny andry, ary nifanolotra tamin'ireo andry ireo ny kianja manodidina ny vavahady. 15 Ny elanelan'ny hatreo anoloan'ny vavahady fidirana, ka hatreo anoloan'ny trano fidirana anatiny, dia dimampolo hakiho. 16 Nisy varavarankely makarakara, tamin'ny efitra sy tamin'ny andry, amin'ny lafiny manodidina ao anatin'ny vavahady; toy izany koa tamin'ny efitra fidirana; ka dia nisy varavarankely manodidina ny tao anatiny, ary nisy rofia avokoa ny andry. 17 Dia nentiny aho, ho eo amin'ny kianja ivelany; ary teo dia nisy efitrano sy lampivato voavoatra manodidina ny kianja ary nisy efitrano telopolo manaraka ny lampivato.

18 Nanaraka an'ireo vavahady ny lampivato, sady nifanerana tamin'ny halavan'ny vavahady; ny lampivato ambany, io. 19 Norefesiny ny sakan'ny teo anoloan'ny vavahady ambany hatreo amin'ny anoloan'ny kianja anatiny, ka nisy zato hakiho ny teo atsinanana sy teo avaratra. 20 Ny amin'ny kianja ivelany, izay mitodika mianavaratra ny anoloany dia norefesiny koa ny lavany sy ny sakany,

21 - ny efitra aminy telo an-daniny avy, sy ny andriny aman'efitra fidirana, mitovy refy amin'ireo vavahady voalohany - dimampolo hakiho ny lavany, ary dimy amby roapolo ny sakany. 22 Ny varavarankeliny sy ny efitra fidirany aman-drofiany, sahala refy amin'ireo eo amin'ny vavahady mitodika miatsinanana ny anoloany; ambaratonga fito no iakarana mankeo, ary mifanatrika amin'ny ambaratonga ny efitra fidirana. 23 Nisy vavahady teo amin'ny kianja anatiny mifanandrify amin'ny vavahady avaratra, tahaka ny amin'ilay atsinanana. Norefesiny ny hatreo amin'ny vavahady anankiray ka hatreo amin'ny anankiray hafa, dia zato hakiho. 24 Dia nentiny indray aho nianatsimo, ary inty vavahady mianatsimo; norefesiny ny andry sy ny efitra fidirana ao, ka toraky ny teo ihany koa ny refiny:

25 - ny manodidina dia nisy varavarankely mitovy amin'ireo varavarankely hafa ihany koa mbamin'ny efitra fidirana- : dimampolo hakiho ny lavany, dimy amby roapolo hakiho ny sakany. 26 Ambaratonga fito no iakarana mankeo, teo anoloan'ireo ny efitra fidirana; nisy rofia ny andriny, ny iray teo an-daniny, ny iray koa teo an-daniny hafa. 27 Nisy vavahady koa nitodika mianatsimo, ao amin'ny kianja anatiny; norefesiny ny hatreo amin'ny vavahady anankiray ka hatreo amin'ny anankiray mandeha mianatsimo, ka zato hakiho. 28 Nentiny niditra teo amin'ny vavahady atsimo aho, ho ao amin'ny kianja anatiny; ary norefesiny ny vavahady atsimo, ka sahala ny refiny -

29 ny efi-tranony, ny andriny, ny efitra fidirana dia nitovy refy; nisy varavarankely manodidina teo aminy sy tamin'ny efitrano fidirana -: dimampolo hakiho ny lavany, dimy amby roapolo hakiho ny sakany. 30 Nisy efitra fidirana manodidina azy: dimy amby roapolo hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany. 31 Ny efitra fidirany dia eo amin'ny lafin'ny kianja ivelany; nisy rofia tamin'ny andriny, ary ambaratonga valo no iakarana ho ao. 32 Avy eo dia nentiny aho ho eo amin'ny kianja anatiny mandeha miatsinanana; ary norefesiny ny vavahady, ka toraky ny teo ihany koa ny refiny -

33 ny efitranony, ny andriny, ny efitra fidirana, toraky ny teo ihany koa ny refiny; ary nisy varavarankely manodidina teo aminy sy teo amin'ny efitra fidirany -: dimampolo hakiho ny lavany, dimy amby roapolo hakiho ny sakany. 34 Nipaka tamin'ny kianja ivelany ny efitra fidirany; nisy rofia tamin'ny andriny teo an-daniny roa avy, ary ambaratonga valo no iakarana ho eo. 35 Dia nentiny aho, ho eo amin'ny vavahady avaratra; ka toraky ny teo ihany koa ny refiny nandrefesany ny teo -

36 nisy varavarankely manodidina koa ny efitra sy ny andriny ary ny efitra fidirana -: dimampolo hakiho ny lavany, dimy amby roapolo hakiho ny sakany. 37 Nipaka tamin'ny kianja ivelany ny andriny, nisy rofia tamin'ny andriny, ary ambaratonga valo no iakarana ho eo. 38 Nisy efitrano mbamin'ny varavarana momba azy, teo anilan'ny andrin'ny vavahady; teo no nanasana ny sorona dorana.

39 Teo amin'ny efitra fidirana eo am-bavahady, nisy latabatra roa avy isan-dafiny roa, izay tsy maintsy namonoana ny zavatra hanaovana ny sorona dorana, ny sorona noho ny ota, ny sorona noho ny fahadisoana. 40 Teo amin'ny lafiny ivelany ao avaratra raha miakatra hiditra ny vavahady, dia nisy latabatra roa; ary teo amin'ny ilany iray, amin'ny efitra fidirana eo amin'ny vavahady koa nisy latabatra roa. 41 Koa nisy latabatra efatra izany, teo amin'ny ilany iray, dia valo no tontaliny, hatao famonoana ny sorona. 42 Nisy koa latabatra efatra, ho an'ny sorona dorana, natao tamin'ny vato voapaika, iray hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, iray hakiho ny hahavony, fametrahana ny fiasana hamonoana ny sorona dorana sy ny sorona hafa. 43 Nisy farango vodivoam-pelatànana ny habeny, naompana teny amin'ny rindrina manodidina; ary ny hena atao sorona, dia tsy maintsy napetraka teo ambony latabatra. 44 Teo ivelan'ny vavahady anatiny, nisy ny efitranon'ny mpihira, teo amin'ny kianja anatiny: ny iray teo anilan'ny vavahady avaratra mitodika mianatsimo ny anoloany, ny iray teo anilan'ny vavahady atsinanana mitodika mianavaratra.

45 Hoy izy tamiko: Ilay efitrano mitodika mianatsimo, dia an'ny mpisorona miadidy ny fanompoana momba ny trano; 46 ary ny efitrano mitodika mianavaratra kosa ho an'ny mpisorona miadidy ny fanompoana momba ny otely. Ireo taranak'i Sadaoka amin'ny taranak'i Levì no manatona an'ny Tompo, hanao ny fanompoana azy. 47 Dia nandrefy ny kianja, izay efa-joro sokera izy, ka zato hakiho koa ny sakany; ary ny otely dia teo anoloan'ny trano.

48 Nentiny ho eo amin'ny efitrano fidirana ao an-trano aho nony avy eo, dia norefesiny ny andrin'ny efitrano fidirana, ka dimy hakiho ny lafiny iray, dimy hakiho koa ny lafiny iray; ary ny haben'ny alo-baravarana koa: telo hakiho ny lafiny iray; telo hakiho ny lafiny iray hafa.

49 Ny efitra fidirana roapolo hakiho ny halavany, iraika ambin'ny folo hakiho ny sakany, amin'ny ambaratonga miakatra ho eo; nisy andry varahana teo anilan'ny andry: iray teo amin'ny lafiny iray; iray teo amin'ny lafiny iray hafa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0788