Bokin'i Ezekiela

Toko faha-43

1 Dia nentiny ho eo ambavahady aho, eo amin'ilay vavahady mitodika miantsinanana.

2 Ary indro, tamy avy any atsinanana ny voninahitr'Andriamanitr'Israely. Ny feony, tahaka ny firohondrohon'ny rano be; ary ny tany namirapiratra azon'ny voninahiny. 3 Ny tarehin-javatra hitako, dia tahaka ilay tarehin-javatra hitako no fijery azy, fony aho tonga handrava ny tanàna; sady nanahaka ny tarehin'ilay zavatra hitako teo amoron'ny ony Kobara ihany koa, no fijery azy, ka nitrosona nihohoka aho. 4 Dia niditra nankao an-trano ny voninahitry ny Tompo, nihazo ny làlana teo amin'ny vavahady mitodika miantsinanana. 5 Tamin'izay, naingain'ny Fanahy aho, nentiny ho eo amin'ny kianja anatiny; ary indro, feno ny voninahitry ny Tompo ny trano. 6 Reko nisy niteny tamiko avy ao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo akaikiko.

7 Hoy izy tamiko: Ry zanak'olona! Eto no fitoeran'ny seza fiandrianako, fitoerana hametrahako ny faladian-tongotro, honenako eo amin'ny zanak'Israely na izy na ny mpanjakany, tsy handoto intsony ny anarako masina, amin'ny fahavetavetany, na ny fatim-panjakany, na ny fitoerana avony,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1491