Bokin'i Ezekiela

Toko faha-45

1 Rahefa mizara ny tany amin'ny filokana hianareo, hanananareo azy, dia manokàna anjara masina amin'ny tany, mba ho fanatitra ho an'ny Tompo: dimy arivo sy roa alina hakiho ny lavany, ary iray alina ny sakany; ho masina avokoa izy, manerana ny habeny amin'ny manodidina rehetra.

2 Ny sasany hanaovana ny fitoerana masina, diman-jato hakiho ny lavany, diman-jato ny sakany, dia efa-joro sokera amin'ny manodidina rehetra, ary dimampolo hakiho hatao faritany manodidina azy akaiky. 3 Amin'izay tany voarefy no handrefesanao dimy arivo sy roa alina ny lavany, iray alina ny sakany, ka ao no hisian'ny fitoerana masina, dia ny fitoerana masina indrindra. 4 Ho anjara masina amin'ny tany izany, ka ho an'ny mpisorona manao fanompoana momba ny fitoerana masina sy manatona hanompo an'ny Tompo: ho fitoerana misy ny tranon'izy ireo izany, ary ho fitoerana masina misy ny fitoerana masina koa. 5 Dimy arivo sy roa alina hakiho ny halavany, iray alina ny sakany, no ho an'ny levita, izay manao ny fanompoana momba ny trano; hanan-tanàna ao izy, honenany ao. 6 Mamaritra dimy arivo hakiho ny sakany, dimy arivo sy roa alina ny lavany, mifanolotra amin'ny voatokana ho anjara masina, ho anjara fananan'ny tanàna; ny taranak'Israely no hanana an'izany.

7 Ny ho an'ny mpanapaka dia angalao eo an-daniny roa amin'izay voatokana ho anjara masina sy ny anjara fananan'ny tanàna, manaraka ny lavan'ny anjara masina sy ny lavan'ny anjara fananan'ny tanàna, ny andrefana mikipaka miankandrefana, ny atsinanana mikipaka miatsinanana, ny lavany mifanerana amin'ny lavan'ny anjara anankiray, avy amin'ny sisiny andrefana, ka hatramin'ny sisiny atsinanana.

8 Izany no ho taniny sy anjara fananany eo amin'Israely; ary tsy hampahory ny vahoakako intsony ny mpanapaka, fa hamela ny tany ho an'ny taranak'Israely, arakaraka ny fokony avy. 9 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Aoka izay, ry mpanapaka eo amin'Israely, mampihataha ny fampahoriana amam-pihinanam-bahoaka, manaova ny hitsiny sy ny rariny, esory tsy ho eo va ny hitsiny sy ny rariny, esory tsy ho eo amin'ny vahoakako ny fihorahanareo, - teny marin'ny Tompo Iaveh. 10 Manaova mizàna marina, efah marina, ary bata marina. 11 Hitovy fatra ny efah sy ny bata, ka ny efah dia ho ampahafolon'ny homera, ary ny bata ho ampahafolon'ny homera; ny homera no hangalana fatra azy. Ho roapolo gerah ny sikla. 12 Ny mina ao aminareo ho roapolo sikla, dimy amby roapolo sikla, dimy ambin'ny folo sikla. 13 Izao no fanatitra hatokanareo: ampahenin'ny efah isaky ny fromenta iray homera, ampahenin'ny efah isaky ny orja iray homera.

14 Ny didy momba ny diloilo, momba ny diloilo iray bata: ampahafolon'ny bata isaky ny iray kora, izay mitovy amin'ny iray homera misy folo bata, fa folo bata no iray homera. 15 Ondry iray, avy ao amin'ny vala, isan-droan-jato eny amin'ny tany be vilona, eo amin'Israely no hatao fanatitra, sorona dorana, sorona fisaorana, hanaovana fifonana ho azy ireo, - teny marin'ny Tompo Iaveh. 16 Ny vahoaka rehetra amin'ny tany no tsy maintsy manokana izany ho an'ny mpanapak'Israely. 17 Fa ny mpanapaka kosa no hiantoka ny sorona dorana, ny fanatitra, ary ny fanatitra araraka, amin'ny fety sy ny voaloham-bolana aman-tsabata, amin'ny fety lehibe rehetra ankalazain'ny taranak'Israely; izy no hamonona ny ilaina hatao sorona noho ny ota, na fanatitra, na sorona dorana, na sorona fisaorana, hanaovana fifonana ho an'ny taranak'Israely. 18 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Amin'ny volana voalohany, ny andro voalohan'ny volana, mangalà vantotr'ombalahy tsy misy kilema, ka manaova fanonerana ho an'ny fitoerana masina.

19 Hangalan'ny mpisorona ny ran'ny sorona noho ny ota, dia hateniny amin'ny tolàn'ny trano sy amin'ny zorony efatra amin'ny rindrin'ny otely ary amin'ny tolàn'ny alo-baravaran'ny kianja anatiny. 20 Toy izany koa no hataonao, amin'ny andro fahafiton'ny volana ho an'izay nanota tsy nahy, na noho ny hakelezan-tsaina; dia fifonana ho an'ny trano no hataonareo. 21 Amin'ny volana voalohany, andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana no hanaovanareo ny Paka, fety maharitra herinandro; mofo tsy misy lalivay no hohanina.

22 Hanolotra omby iray ny mpanapaka amin'izany andro izany, hatao fanatitra noho ny ota, ho an'ny tenany sy ho an'ny vahoakan'ny tany. 23 Ary mandritra ny hafitoana amin'izany fety izany, dia hanatitra sorona dorana ho an'ny Tompo izy, dia ombalahy fito, ondralahy, tsy misy kilema, fito, isan'andro avy amin'ny andro fito, ary osilahy iray isan'andro hatao sorona noho ny ota. 24 Hanao ny fanatitra koa izy, lafarina iray efah isan'ombalahy sy iray efah isan'ondralahy, ary diloilo iray hina isan'efah. 25 Amin'ny volana fahafito, andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana, mandritra ny fety dia hateriny mandritra ny hafitoana, ireo sorona noho ny ota sy ireo sorona dorana, ary ireo fanatitra mbamin'io diloilo io ihany koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1208