Bokin'i Ezekiela

Toko faha-46

1 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Hikatona ny alo-baravarana amin'ny kianja anatiny mitodika miatsinanana, amin'ny andro enina azo iasana; fa hivoha kosa izy amin'ny andro sabata; hivoha koa izy amin'ny andro voalohan'ny volana.

2 Ny mpanjaka hiditra avy any ivelany, ho any amin'ny efitrano fidirana ao amin'ny alo-baravarana, ka hijanona eo anilan'ny tolàn'ny alo-baravarana; ireo mpisorona kosa, hanatitra ny sorona dorany sy ny sorona fisaorany. Hiankohoka eo amin'ny tokonan'ny alo-baravarana izy, dia hivoaka; ary ny alo-baravarana tsy hakatona mandra-paharivan'ny andro. 3 Ny vahoakan'ny tany hiakohoka eo anoloan'izany alo-baravarana izany, eo anatrehan'ny Tompo amin'ny sabata sy ny voalohan'ny volana. 4 Ny sorona dorana, haterin'ny mpanapaka ho an'ny Tompo amin'ny andro sabata, dia zanak'ondry, tsy misy kilema, enina, sy ondralahy iray tsy misy kilema. 5 Ary ny hatao fanatitra, dia lafarina iray efah momba ny ondralahy: ny hatao fanolorana momba ny zanak'ondry, dia izay hafoiny, miaraka amin'ny diloilo iray hina, isaky ny iray efah. 6 Ny hateriny amin'ny andro voalohan'ny volana kosa dia vantotr'ombalahy iray tsy misy kilema, zanak'ondry enina sy ondralahy iray tsy misy kilema. 7 Hanome fanatitra iray efah isan'ny ondralahy iray; ary ny amin'ny zanak'ondry dia izay azony afoy miaraka amin'ny diloilo iray hina isaky ny iray efah. 8 Raha miditra ny mpanapaka, dia hihazo eo amin'ny efitrano fidirana amin'ny alo-baravarana, ary amin'io làlana io ihany koa no hivoahany.

9 Raha miditra ho eo anatrehan'ny Tompo ny vahoakan'ny tany amin'ny fety lehibe, izay miditra amin'ny alo-baravarana avaratra, hiankohoka, dia hivoaka amin'ny varavarana atsimo; ary izay miditra amin'ny alo-baravarana atsimo, hivoaka amin'ny alo-baravarana avaratra; tsy hiverina amin'izay alo-baravarana nidirany izy, fa amin'izay tandrifiny no hivoahany. 10 Ny mpanapaka koa hiditra miaraka amin'izy ireo, sy hivoaka toy ny hivoahan'izy ireo. 11 Amin'ny fety amam-pety lehibe, ny fanatitra dia iray efah isan-ombalahy iray sy iray efah isan'ondralahy iray, ary izay afoin'ny mpanapaka ihany kosa momba ny zanak'ondry, miaraka amin'ny diloilo iray hina isaky ny iray efah.

12 Raha hanatitra fanatitra an-tsitra-po ny mpanapaka, na sorona dorana na sorona fisaorana izany, dia fanatitra an-tsitra-po ho an'ny Tompo, dia hamohàna ny alo-baravarana mitodika miatsinanana izy. Dia hanatitra ny sorona dorany na ny sorona fisaorany izy, toy ny fanaony amin'ny andro sabata, dia hivoaka izy, dia harindrina ny vavahady, rahefa tafavoaka izy.

13 Hanatitra zanak'ondry iray, efa iray taona, tsy misy kilema hianao, ho sorona dorana isa-maraina ho an'ny Tompo; isa-maraina no hanateranao izany.

14 Hanatitra koa isa-maraina miaraka amin'izay, fanatitra, dia ampahefan'ny efah, sy diloilo am-pahatelon'ny hina, handemana ny lafarina tsara indrindra ho fanolorana ho an'ny Tompo: lalàna maharitra mandrakizay izany. 15 Haterina isa-maraina ny zanak'ondry sy ny fanatitra miaraka amin'ny diloilo; izany no sorona dorana tsy tapaka. 16 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Raha ny iray amin'ny zanany no toloran'ny mpanapaka fanomezana, dia ho lovan'ny zanany izany fanomezana izany; ho zara lovany no hananany an'izany.

17 Fa raha ny iray amin'ny mpanompony kosa no tolorany fanomezana avy amin'ny lovany, dia ho an'ny mpanompo ihany izany fanomezana izany, mandra-pahatongan'ny taona fahafahana; fa rahefa afaka izany, dia hiverina amin'ny mpanapaka indray izany, ka ny zanany ihany no hanana ny lovany. 18 Tsy haka ny lovan'ny olona amin'ny fandroahana azy an-keriny hiala amin'ny zara taniny ny mpanapaka; fa ny taniny ihany no hanomezany lova ho an-janany, mba tsy ho voaroaka ny vahoakako samy hiala amin'ny taniny avy. 19 Nentiny aho nihazo tamin'ny fidirana eo anilan'ny alo-baravarana ho ao amin'ireo efitrano masina natokana ho an'ny mpisorona, dia ireo efitrano mitodika mianavaratra; ary indro, nisy fitoerana teo amin'ny farany anantiny, amin'ny ilany andrefana.

20 Ka hoy izy tamiko: Eto no fandrahoan'ny mpisorona ny sorona natolotra noho ny fahadisoana sy ny ota, sy hanendasany ny fanatitra, mba tsy hitondrany azy ho any amin'ny kianja ivelany, hanamasina ny vahoaka. 21 Dia nentiny nivoaka ho ao amin'ny kianja ivelany aho, ka nentiny mankao amin'ny zorony efatra amin'ny kianja, ary indro isaky ny zoron'ny kianja, nisy tokotany. 22 Tokotany voafefy no teo amin'ny zorony efatra amin'ny kianja, efapolo hakiho ny lavany, ary telopolo ny sakany; ireo tokotany amin'ny zorony efatra ireo, dia mitovy refy. 23 Misy fefy manodidina azy efatra ary misy fatana fandrahoana natao teo am-pototr'ireo fefy manodidina. 24 Ary hoy izy tamiko: Ireto no trano fandrahoana handrahoan'ny mpanompon'ny trano ny hena avy amin'ny sorona nataon'ny vahoaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1466