Bokin'i Ezekiela

Toko faha-47

1 Nentiny niverina ho eo amin'ny varavaran'ny trano indray aho. Ary indro nisy rano nivoaka avy ao ambanin'ny tokonan'ny trano, amin'ny lafiny atsinanana, fa nitodika niatsinanana ny anoloan'ny trano; ka nidina ny rano avy ao ambanin'ny lafitrano ankavanana tao atsimon'ny otely.

2 Nentiny nivoaka tamin'ny alo-baravarana avaratra aho, dia nasainy nanodidina eo ivelany aho mandra-pahatonga eo amin'ny alo-baravarana ivelany mitodika miatsinanana; ka indro ny rano nandeha tamin'ny lafiny ankavanana. 3 Nony tafavoaka niatsinanana ralehilahy nitondra kofehy teny an-tànany, dia nandrefy arivo hakiho izy, ary nentiny nita ny rano aho, ka havalahana ny rano. 4 Nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nentiny nita ny rano aho, ka halohalika ny rano. Nandrefy arivo hakiho indray izy dia nasainy hita ny rano aho, ka havalahana ny rano. 5 Nandrefy arivo hakiho indray, ka efa ony maria tsy azoko nitàna intsony, fa nihalalina ny rano; efa rano itàna milomano, ony maria tsy azo itàna amin'izao. 6 Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, nahita va hianao? Dia nentiny niverina ho eo amoron'ny ony maria aho. 7 Nony nitodika aho dia nahita hazo be dia be teo amoron'ny ony maria eo an-daniny roa. 8 Hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mandeha mankany amin'ny faritany atsinanana; hidina ho any amin'ny tany lemaka vao hiditra ho ao amin'ny ranomasina; hoentina mankany amin'ny ranomasina izy, dia ho tonga mahasalama ny rano.

9 Ny zava-manan'aina mihetsiketsika any amin'izay halehan'ny ony roa na aiza na aiza, ho velona avokoa, ka ho be dia be ny hazandrano; satria raha vao tonga any ity rano ity dia ho tonga mahasalama ny ranomasina, ary hahavelona avokoa izay halehan'ny ony maria. 10 Hitsangana eo amoron'izany ranomasina izany ny mpaka hazandrano; ho velarana harato ny hatrany Engaddi, ka hatrany Engallima; hisy hazandrano isan-karazany maro dia maro toy ny any amin'ny ranomasina lehibe. 11 Fa ny honahona sy ny heniheny kosa, tsy hovana ho mahasalama fa havela ho an'ny sisa. 12 Eo akaikin'ny ony, amin'ny morony andaniny avy, hisy hazo mamoa isan-karazany haniry, ka ny raviny tsy mba halazo, ary ny voany tsy mba hitsahatra. Hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria hivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ny voany ho fihinana tsara, ary ny raviny ho fanasitranana tsara. 13 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Lohasaha iray no ho faritry ny tany horaisinareo ho zara-taninareo araka ny foko roa ambin'ny folo amin'Israely; anjaran-droa no ho an'i Josefa.

14 Samy hanana anjara avokoa hianareo, dia anjara amin'io tany nampanantenaiko, efa nananganako tanàna, homena ny razanareo, ka dia ho tonga fanananareo izany tany izany. 15 Izao no ho faritry ny tany: Ny avaratra, hatreo amin'ny ranomasina lehibe amin'ny làlan'i Hethalona mankany Sedada.

16 Ny tany Hamata, Berotha, ary Sabarima, anelanelan'ny faritanin'i Damasa sy ny faritanin'i Hamata; Hatzera-Tikona, eo amin'ny faritanin'ny Haorana. 17 Ka izao no faritany hatramin'ny ranomasina: Hatzera-Enona, ny sisin-tanin'i Damasa, ary avy eo mandroso mianavaratra hatrany amin'ny sisin-tanin'i Hamata. Izany no lafiny avaratra. 18 Ny atsinanana: Hatramin'ny faritra mampisaraka an'i Haorana sy Damasa, dia eo anelanelan'i Galaada sy ny tanin'Israely no alehan'ny faritra amin'ny tany dia Jordany. Hatramin'ny sisin-tany avaratra, ka hatramin'ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana. 19 Ny lafiny atsimo handroso mianatsimo hatrany Thamara ka hatrany amin'ny ranon'i Meriba any Kadesa, dia ny amin'ny ranon' i Meriba any Kadesa, dia ny lohasahan-driaka mivarina mankany amin'ny ranomasina lehibe. Izany no lafiny atsimo mankany amin'ny Negeba. 20 Ny lafiny andrefana dia ho ny ranomasina lehibe hatramin'io sisin-tany io, ka hatramin'ny hadilan-tanin'i Hamata. Izany no lafiny atsimo. 21 Hozarainareo ho anareo izany tany izany, araka ny fokon'Israely.

22 Amin'ny filokana no tsy maintsy hizaranareo ny tany hanananareo azy, izay ho anareo sy izay ho an'ny vahiny mitoetra eo aminareo, sy efa loajaza teo aminareo. Hataonareo toy ny tera-tany amin'ny zanak'Israely, izy ireo, ka filokana no hahazoany ny anjarany miaraka aminareo, eo amin'ny fokon'Israely. 23 Ao amin'izay foko itoeran'ny vahiny no hanomezanareo ny anjara lovany, - teny marin'ny Tompo Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0972