Bokin'i Ezekiela

Toko faha-47

1 Nentiny niverina ho eo amin'ny varavaran'ny trano indray aho. Ary indro nisy rano nivoaka avy ao ambanin'ny tokonan'ny trano, amin'ny lafiny atsinanana, fa nitodika niatsinanana ny anoloan'ny trano; ka nidina ny rano avy ao ambanin'ny lafitrano ankavanana tao atsimon'ny otely.

2 Nentiny nivoaka tamin'ny alo-baravarana avaratra aho, dia nasainy nanodidina eo ivelany aho mandra-pahatonga eo amin'ny alo-baravarana ivelany mitodika miatsinanana; ka indro ny rano nandeha tamin'ny lafiny ankavanana. 8 Hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mandeha mankany amin'ny faritany atsinanana; hidina ho any amin'ny tany lemaka vao hiditra ho ao amin'ny ranomasina; hoentina mankany amin'ny ranomasina izy, dia ho tonga mahasalama ny rano.

9 Ny zava-manan'aina mihetsiketsika any amin'izay halehan'ny ony roa na aiza na aiza, ho velona avokoa, ka ho be dia be ny hazandrano; satria raha vao tonga any ity rano ity dia ho tonga mahasalama ny ranomasina, ary hahavelona avokoa izay halehan'ny ony maria. 12 Eo akaikin'ny ony, amin'ny morony andaniny avy, hisy hazo mamoa isan-karazany haniry, ka ny raviny tsy mba halazo, ary ny voany tsy mba hitsahatra. Hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria hivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ny voany ho fihinana tsara, ary ny raviny ho fanasitranana tsara.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1397