Bokin'i Ezekiela

Toko faha-5

1 Ary hianao, ry zanak'olona, makà lelan-java-maranitra, raiso izy ho harezan'ny mpanala volombava, dia ento mitety ny lohanao sy saokanao izy; rahefa izany, makà mizàna fandanjana, ka zarao izay voatapakao.

2 Ny ampahatelony, dory amin'ny afo, eo afovoan'ny tanàna, rahefa tapitra ny andron'ny fahirano; ny ampahatelony, alao ka asio ny sabatra manodidina ny tanàna; ny ampahatelony aelezo ho amin'ny rivotra, fa hanatsoaka sabatra avy ao aoriany aho. 3 Ary hakao vitsivitsy izy, fonosy amin'ny sisin-dambanao; 4 ka io sisa io indray, analao, ka hatsipinao ao anaty afo, ka hodoranao amin'ny afo. Avy eo no hivoahan'ny afo ho amin'ny taranak'Israely rehetra. 5 Izao no lazain'ny Tompo, Tompo: Iny ilay Jerosalema nataoko eo afovoan'ny firenena, ary faritany malalaka no manodidina azy.

6 Noho ny haratsiany anefa, nanohitra ny didiko mihoatra noho ny firenena izy, sy ny lalàko mihoatra noho ny tany manodidina azy; satria nanary ny didiko izy, ary tsy nandeha araka ny lalàko. 7 Koa izao no lazain'ny Tompo Tompo: Satria hianareo niodina mihoatra noho ny firenena manodidina anareo, tsy nandeha araka ny lalàko, tsy nanaraka ny didiko, ary tsy nanao araka ny fomba fanaon'ireo firenena manodidina anareo; 8 noho izany, izao no lazain'ny Tompo Tompo: Indro kosa aho izao tamy hamely anao, izaho no hanatanteraka eo afovoanao ny teny voatapaka eo imason'ireo firenena; 9 ary noho ny fahavetavetanao rehetra, dia zavatra tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko intsony koa, no hataoko aminao; 10 noho izany, dia hisy ray hihinana ny zanany eo aminao; ary hisy zanaka hihinana ny rainy. Hampihatra fitsarana aminao aho, ary haeliko any amin'ny vazan-tany rehetra, izay sisa eo aminao. 11 Koa amin'izany, velona aho - teny marin'ny Tompo Tompo; - noho hianao nandoto ny fitoerako masina tamin'ny zava-mahamenatra amam-pahavetavetana rehetra nataonao; izaho koa hanorotoro, ka tsy hanana antra ny masoko, ary tsy hamindra fo aho.

12 Ny ampahatelon'ny zanakao, ho fatin'ny pesta na ho levon'ny mosary eo aminao; ny ampahatelony, ho lavon'ny sabatra eny manodidina anao rehetra eny; ary ny ampahatelony haeliko any amin'ny vazan-tany rehetra; sady hanatsoahako sabatra avy ato aoriana. 13 Dia hiala fo ny fahatezerako, ary haraniko mamely azy ireo ny fahavinirako, dia ho afa-po aho, ary izy kosa hahalala, rahefa nampanaraniko mamely azy ireo ny fahatezerako, fa tamin'ny fahasarota-piaroko no efa nitenenako izaho Iaveh. 14 Hatolotro halàm-baraka sy hampahorina any amin'ny firenena manodidina anao hianao, eo imason'ny mpandalo rehetra. 15 Rahefa avy izay hanatanterahako fitsarana aminao amim-pahatezerana amam-pahavinirana, sy amim-pamaizan'ny fahavinirako, hianao dia ho latsa sy henatra ary ho fananarana amam-pampitahorana ho an'ny firenena manodidina anao; 16 - Izaho Iaveh no milaza - rahefa alefako amin'izy ireo ny zana-tsipìka mandozan'ny mosary, izay entim-mandringana, ka halefako aminareo handringana anareo; fa hampitomboiko koa ny mosary eo aminareo, ary hotapahako ny tehana mofo ho anareo. 17 Ary handefa mosary sy biby mandoza eo aminareo aho, izay hanesotra aminao ny zanako; hihatra aminao ny pesta amam-pandatsahan-dra, ary hataoko mifantaka aminao ny sabatra; izaho Iaveh no miteny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0901