Bokin'i Ezekiela

Ezekiela toko 6
Sazin'ny fanompoan-tsampy.

       1 Tonga tamiko ny tenin'Iaveh, nanao hoe: 2 Ry zanak'olona, atodiho mankany amin'ny tendrombohitr'Israely ny tavanao, ka maminania ny hamelezana azy. Lazao hoe:
       3 Ry tendrombohitr'Israely,
Mihainoa ny tenin'Iaveh Tompo.
Izao no lazain'Iaveh Tompo
amin'ny tendrombohitra aman-kavoana,
sy amin'ny hadin-driaka aman-dohasaha:
Indro aho hahatonga sabatra hamely anareo;
ary ny fitoerana avonareo horavako.
       4 ny otelinareo ho voarava,
ny andrinareo ho an'ny masoandro, hotapahana;
ny lehilahinareo hataoko mitsingidina, voan'ny fahafatesana,
eo anoloan'ny sampinareo;
       5 Ny fatin'ny zanak'Israely hataoko
eo anoloan'ny sampiny.
Ary ny taolanareo haeliko,
manodidina ny otelinareo.
       6 Na aiza na aiza onenanareo,
ny tanàna ho lao,
ny fitoerana avo horavana;
mba ho rava sy lao koa ny otelinareo;
ho montsana sy levona ny sampinareo,
hazera ny andrinareo ho an'ny masoandro
ary ho fongotra ny asanareo.
       7 Hiampatrampatra eo aminareo, ny maratra ho faty;
dia ho fantatrareo fa Iaveh aho.
       8 Havelako hisy sisa ihany anefa aminareo;
dia izay afaka amin'ny sabatra, any amin'ny firenena,
rahefa haely any amin'ny tany samihafa.
       9 Ka ireo afaka ireo dia hahatsiaro ahy eny amin'ny firenena,
izay hitondrako azy ho babo;
nony efa notorotoroiko ny fony mpisintaka
izay nivily niala tamiko,
sy ny masony mpisintaka
izay nitodika nankany amin'ny sampiny;
ka haharikoriko azy ny tenany,
noho ny ratsy nataony,
tamin'ny fahavetavetana rehetra vitany.
       10 Dia ho fantany fa Iaveh aho,
ka tsy mba foana ny nilazako
fa hahatonga izany loza izany aminy aho.
       11 Izao no lazain'Iaveh Tompo:
Mitehafa tànana hianao
ary mitotoa tongotra, ka manaova hoe: Indrisy!
amin'ny fahavetavetana ratsy rehetra,
nataon'ny taranak'Israely,
izay efa ho levon'ny sabatra,
sy ny mosary ary ny pesta.
       12 Ny lavitra ho fatin'ny pesta;
ny akaiky ho lavon'ny sabatra;
izay sisa tavela voatahiry, ho fatin'ny hanoanana;
ka hampariko amin'izy ireo ny fahatezerako.
       13 Dia ho fantatrareo fa Iaveh aho;
rahefa hiampantrampatra eny afovoan'ny sampiny ny maty amin'izy ireo
manodidina ny oteliny,
eny amin'ny havoana avo rehetra,
eny an-tampon-tendrombohitra rehetra;
eny ambanin'ny hazo maitso rehetra,
eny ambanin'ny oaka be ravina rehetra,
amin'ny fitoerana nanaterany emboka manitra mahafinaritra,
tamin'ny sampiny rehetra.
       14 Haninji-tànana hamely azy ireo, aho,
ka hataoko lao sy simba ny taniny,
hatramin'ny efitra ka hatrany Diblah,
amin'izay rehetra onenany;
dia ho fantany fa Iaveh aho.