Bokin'i Ezekiela

Toko faha-7

1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

2 Ary hianao, ry zanak'olona, izao no lazain'ny Tompo Tompo, amin'ny tanin'Israely: Ny fiafarana! Tamy ny farany amin'ny vazan-tany efatra! 3 Ankehitriny tamy aminao ny farany; efa hampanarana ny hatezerako hamely anao aho; hitsara anao araka ny asanao; hampitambesatra ny fahavetavetanao rehetra aminao.

4 Ny masoko tsy hiantra anao, ary tsy hamindra fo aho, fa hatambesatro aminao ny asanao; ary ho eo afovoanao ny fahavetavetanao; dia ho fantatrao fa Iaveh aho.

5 Izao no lazain'ny Tompo Tompo: Loza safatsiroa! Loza! Injay izy tamy!

6 Injay tamy ny farany! Tonga ny farany! Mifoha hamely anao izy; injay izy tamy!

7 Tamy ny anjaranao, ry mponina amin'ny tany tonga ny fotoana, akaiky ny andro ! Fitabatabana !...fa tsy hobim-pifaliana eny an-tendrombohitra.

8 Ankehitriny aho tsy ho ela intsony, dia hanampatra ny hatezerako aminao; hanala fo ny fahavinirako aminao; hitsara anao araka ny asanao aho, ary hampitambesatra aminao, ny fahavetavetanao rehetra.

9 Ny masoko tsy hiantra anao, ary tsy hamindra fo aho, hitambesatra aminao ny asanao; ho eo afovoanao ny fahavetavetanao. Dia ho fantatrareo fa izaho Iaveh no mamely!

10 Indro ny andro, tamy izy; tonga ny anjaranao; mamony ny tsorakazo mivelatra ny avonavona;

11 mitsangana ny fanaovana an-keriny, mba ho tsorakazo hamelezana ny fanoherana ny fivavahana. Tsy hisy aminy ho voavela, na amin'ny hamaroany, na amin'ny fihahohahoany, tsy ho maresaka intsony.

12 Tonga ny fotoana, antomotra ny andro! Ny mpividy, aoka tsy hifaly; ary ny mpivarotra, aoka tsy halahelo, fa efa hipoahan'ny fahatezerana avokoa ny ankamaroany.

13 Ny mpivarotra tsy ho tonga tompon'izay efa lafony indray, na mbola ho isan'ny velona aza izy; fa ny fahitana an'izay hanjo ny ankamaroany rehetra, tsy mba ho foanana, ary tsy misy maharo ny ainy, na iray aza, amin'ny helony.

14 Velona ny trompetra, ary vonona ny zavatra rehetra; nefa tsy misy mandroso hiady ny olona, satria iharan'ny hatezerako avokoa ny ankamaroany.

15 Ny sabatra, eny ivelany; ny pesta sy mosary, ao anatiny; ny any an-tsaha, ho fatin'ny sabatra, ary ny eo an-tanàna, ho levon'ny mosary sy ny pesta.

16 Na misy ho afa-mandositra aza, amin'izy ireo, dia hirenireny eny an-tendrombohitra, toa voromailala an-dohasaha, samy hitoloko noho ny helony avokoa.

17 Samy miraviravy tànana daholo, ary samy mitsonika ny lohalika rehetra ho rano.

18 Lasàka no hitafiany; horohoro no manarona azy; henatra no ho amin'ny tava rehetra, ary mibory ny loha rehetra.

19 Hariany eny an-dàlambe ny volafotsiny, hataony hoatra ny zezika ny volamenany; tsy misy hahavonjy azy ny volafotsiny amam-bolamenany, amin'ny andron'ny fahatezeran'ny Tompo; tsy hamoky ny fanahiny amin'izany izy, na hameno ny kibony amin'izany akory, fa izany indrindra no nahalavo azy tamin'ny faharatsiana.

20 Ireo firavany izay nihaingoany, dia nataony reharehany; namoronany ny fahavetavetany, dia ny sampiny. Koa dia hovako ho zezika daholo izany rehetra izany;

21 ary hatolotro ho babo eny an-tànan'ny hafa firenena, ho rembin'ny tsy tia fivavahana amin'ny tany; - ka holotoiny.

22 Haviliko tsy hijery azy ny tavako ka holotoin'olona ny rakitro, fa hidiran'ny olona mpanao an-keriny, ka holotoiny.

23 Omano ny gadra; fa feno heloka ny tany; ary feno fanaovana an-keriny ny tanàna.

24 Hasaiko avy ny ratsy fanahy indrindra amin'ny firenena, haka ny tranon'izy ireo, hampitsahatra ny avonavon'ny mahery; ary ny fitoerany masina dia ho voaloto.

25 Mby akaiky ny fandravana; hitady fiadanana izy ireo, fa tsy hisy izany.

26 Ho avy ny loza tsindrian-doza, sy filazana vaovao tsindriam-pilazana; ka hitady fahitana amin'ny mpaminany izy ireo; ary tsy ho eo amin'ny mpisorona ny lalàna, na ny torohevitra eo amin'ny loholona.

27 Ny mpanjaka, ho rafitra misaona; ny mpanapaka, hitafy falahelovana; ary ny tànan'ny vahoakan'ny tany hangovitra; fa hasiako araka ny asany izy; ary hotsaraiko araka ny tandrifin'azy, dia ho fantany fa Iaveh aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0566