Bokin'ny Fahendrena

Toko voalohany

1 Tiavonareo ny fahamarinana, hianareo izay mpitsara eto an-tany; aoka ho araka ny hitsiny no fihevitrareo ny Tompo, ary amin'ny fo marina no hitadiavanareo azy;

2 fa mety ho hitan'izay tsy maka fanahy azy izy, ary miseho amin'izay matoky azy.

3 Satria ny hevi-dratsy, mampisaraka amin'Andriamanitra, ary ny fahefany raha misy maka fanahy azy miampanga ny adala.

4 Ny fahendrena tsy mba miditra amin'ny fanahy misain-dratsy, ary tsy monina amin'ny vatana andevon'ny fahotana.

5 Ny Fanahy Masina, mpanabe ny olona mandositra ny hafetsen-dratsy, manalavitra ny hevitra tsy misy saina, ary mihataka izy raha mandroso ny heloka.

6 Fa fanahy tia ny olombelona ny fahendrena, ka tsy avelany ho afa-potsiny ny mpiteny ratsy an'Andriamanitra amin'ny teny ratsy ataony. Satria Andriamanitra dia vavolombelon'ny voany, Mpamantatra marina ny fony, ary mandre ny teniny.

7 Fa manerana an'izao tontolo izao ny Fanahin'ny Tompo, ary ao aminy avokoa ny zavatra rehetra, ka reny daholo izay lazain'ny olona.

8 Ka izay manao resaka manohitra ny fivavahana tsy afa-miery dia tsy hohadinoin'ny fitsarana mpanafay ny ratsy.

9 Fa hanaovana famotorana ny hevitra kasain'ny tsy mpivavaka, ary ho tonga hatrany amin'ny Tompo ny fisamonin'ny teniny, mba hosazina amin'ny ratsy nataony izy.

10 Ny sofina saro-piaro, mandre ny zavatra rehetra, ary tsy miery aminy ny fimonomononana;

11 koa fadio ny fimonomononana tsy mahasoa, ary arovy ny lelanao tsy hiteny ratsy an'Andriamanitra, fa ny teny an-tsokosoko indrindra raha alohaky ny vava tsy maintsy sazina, ary ny vava mandainga, hampahazo fahafatesana ny fanahy.

12 Ka aza dia mitady faty amin'ny fitondran-tena miavona; na mihantsy fahaverezana, amin'ny asan-tananareo.

13 Fa tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra, ary tsy sitrany ny fahaverezan'ny velona.

14 Nohariny ho amin'ny fiainana ny zavatra rehetra, ka mahasoa ny zava-boaharin'izao tontolo izao; tsy misy foto-pahalevonana ao aminy, ary tsy mba manjaka eto ambonin'ny tany ny fahafatesana.

15 Satria tsy mety maty ny fahamarinana.

16 Fa ny ratsy fanahy no miantso ny fahafatesana amin'ny fihetsiketsehany sy ny feony; ataony ho sakaizany izy io ka fatra-pitia azy izy ireo, dia manao fanekena aminy, ka dia mendrika tokoa ny mba azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0936