Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-10

1 Ny fahendrena no niaro ny voalohan-dahy noforonin'Andriamanitra, mba ho rain'ny olombelona rehetra, dia ilay tokana noharìna.

2 Nanatsoaka azy tamin'ny fahotany izy, sy nanome fahefana azy, hitondra ny zava-boahary rehetra.

3 Nihataka taminy, noho ny hatezerany, ilay tsy marina, ka very tamin'ny fisafoahana nahafaty rahalahy.

4 Raha avy izay nahasafo-drano ny tany noho ny olona tsy marina, dia ny fahendrena no namonjy azy ireo, fa izy no nitari-dàlana ny marina tambonin'ny hazo tsy misy vidiny.

5 Nony tafaharo tamin'ny heloka niraisany, ny firenen-tsamihafa, fantatry ny fahendrena ilay marina, ka notehiriziny tsy hanan-tsiny teo anatrehan'Andriamanitra, sy narovany tsy ho resin'ny fitiavan-janaka.

6 Tamin'ny nandringanana ny ratsy fanahy, novonjen'ny fahendrena ny marina izay nandositra ny afo nidina tamin'ny tanàna dimy.

7 Mba ho vavolombelon'ny haratsian'izy ireny, mbola mivoa-tsetroka izany tanàna nidiran-doza izany; mamoa tsy amin'ny fotoana ny hazo ao; ary misy andry sira mijoro ao, tsangambaton'ny fanahy anankiray tsy nino.

8 Nataon'izy ireny tsirambina ny fahendrena, ka sady maty antoka ny tsy nahalalany ny soa izy ireo, no namela tsangambaton'ny hadalany ho an'ny velona, mba tsy ho very tadidy ny heloka nataony.

9 Nefa nafahan'ny fahendrena tamin'ny loza kosa ny mpanaraka azy.

10 Izy no nitarika tamin'ny làla-mahitsy, an'ilay marina nandositra ny hatezeran'ny rahalahiny; naneho tamin'io ny fanjakan'Andriamanitra, sy nanome azy ny fahalalana ny zava-masina; nampanankarena azy tamin'ny asa nisasarany; ary nampahavokatra ny asa nataony.

11 Novonjeny tamin'ny mpampahory mahidy izy, ka nataony nahazo harena;

12 Nambenany tamin'ny fahavalony izy, ary narovany tamin'ny namela-pandrika taminy; nomeny fandresena tamin'ny ady mafy izy, mba hampahafantarany azy fa mahery noho ny zavatra rehetra ny fitiavam-bavaka.

13 Ny marina namidy vola dia tsy nafoiny, fa narovany tamin'ny fahotana; niara-nidina taminy tao an-davaka izy,

14 tsy nandao azy tamin'ny fatorana; mandra-panomeny azy ny tehim-panjakana, sy ny fanapahana an'ireo mpampahory azy; ireo niampanga ny olo-marina nataony vaky lainga; ary izy kosa nomeny laza mandrakizay.

15 Novonjeny tamin'ny firenena nampahory azy, ny vahoaka masina aman-taranaka tsy manan-tsiny.

16 Niditra tamin'ny fanahin'ilay mpanompon'Andriamanitra izy, ary nifanandrina tamin'ireo mpanjaka mahatahotra, tamim-pamantarana amam-pahagagana.

17 Ny marina nomeny ny tambin'ny asany, notarihiny tamin'ny lalana nofafazany fahagagana izy ireo, nitsangan-ko alokalony izy, nony andro, ary ho fahazavany, toy ny kintana, nony alina.

18 Nentiny namaky ny ranomasina Mena izy, ary notarihiny lalana namakivavy ny rano be.

19 Nosaforany tao ny fahavalon'izy ireo dia naloan'ny hantsana lalina avy ao aminy izy ireo.

20 Noho izany namabo ny tsy mpivavaka ny marina, dia nihira ny anaranao masina, ry Tompo, sy niara-nankalaza ny tànanao niady ho azy ireo.

21 Fa mampiloa-bava ny moana ny fahendrena, ary mampahay mandahatra ny lelan'ny zaza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0379