Bokin'ny Fahendrena
Toko faha-11
23 Noho hianao mahefa ny zavatra rehetra anefa, no iantranao azy rehetra, sy tsy ijerenao ny fahotan'ny olombelona mba hibebahany.24 Satria tianao avokoa ny zava-boahary, ary tsy misy halanao izay nataonao; fa raha misy iray halanao, tsy ho nataonao akory.
25 Ary zavatra inona moa no afa-ko misy raha tsy sitrakao, na haharetany raha tsy nampisinao?
26 Mamela azy rehetra anefa hianao, satria anao ny zavatra rehetra, ry Tompo tia ny fanahin'ny olona.
