Bokin'ny Fahendrena

Toko faha-11

23 Noho hianao mahefa ny zavatra rehetra anefa, no iantranao azy rehetra, sy tsy ijerenao ny fahotan'ny olombelona mba hibebahany.

24 Satria tianao avokoa ny zava-boahary, ary tsy misy halanao izay nataonao; fa raha misy iray halanao, tsy ho nataonao akory.

25 Ary zavatra inona moa no afa-ko misy raha tsy sitrakao, na haharetany raha tsy nampisinao?

26 Mamela azy rehetra anefa hianao, satria anao ny zavatra rehetra, ry Tompo tia ny fanahin'ny olona.

Toko faha-12

1 Fa ao amin'ny zavatra rehetra ny fanahinao tsy azo angolena,

2 ka izany no amaizanao izay lavo amin'ny sazy antoniny, ary raha manota izy, anarinao sy tsinìnao mba hialany amin'ny haratsiany, sy hinoany anao, ry Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0505